Tsy maintsy ho tonga ny Fanjakan'Andriamanitra

Miomana hifandripaka ny zanak'olombelona

Ireto an-dalan-teny vitsy ireto dia nalaina tamin’ny bokin’ny M. Herbert W. Armstrong manao hoe « Qu’est-ce que le ROYAUME DE DIEU? 

  • Ny korontana teto amin’izao tontolo izao dia nanomboka tamin’ny 1914 niaraka tamin’ny ady lehibe voalohany maneran-tany.
  • Avy eo, nisy fiatoana teo amin’ny taona 1918 ka hatreo amin’ny 1939. 
  • Isika izao dia ao anatin’ny hoe fiatoana faharoa… fa ankehitriny, aty am-parany, manana hery nokleary entina mandrava ny tany ny olombelona amin'izao vanim-potoana. 
  • Misy tahirina-baomba hydrozena maro isankarazany eto an-tany, amin’ny hery mahavita mandripaka mora foana ny mponina rehetra eto ambonin’ny tany.
  • Amin’izao andro izao koa misy fitaovam-piadiana roa hafa mahavita mamafa tanteraka ny olombelona rehetra eto an-tany.

 

Mikatsaka "fanjakana tokana" hamahana ny olana maneran-tany ny olombelona

Ireo siantifika malaza manerana izao tontolo izao milaza fa tsy misy afa-tsy governemanta tokana maneran-tany ihany no ahafahana miala amin’izay fifandripahan’ny mponina izay. 
Nefa ny olona dia tsy mahavita mamorona governemanta tahak’izany, satria samy te ho lohany avokoa ka tsy mety hifanara-tsaina mihitsy ny amin’izany izy ireo.

Safidy 2 eo anoloantsika

Fotoanany izao hiatrehantsika ny zava-misy araka ny fitrangany; araka izao safidy roa eo noloantsika izao:

1) Na isika manaiky ilay ANDRIAMANITRA MATANJAKA, izay ho tonga mialoha mametraka ILAY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA sy hanjaka amin’ny fokom-pirenena rehetra, manana TANJAKA mihoatra ny herin’olombelona sy maneran-tany, ary hametraka ny FANDRIAMPAHALEMANA;

2) Na isika manaiky ny haharipaka ny olombelona rehetra. (Mat. 24:22)

RAHA ireo mpitondra fivavahana diso làlana (izay mino fa ny FIANGONANA no ilay Fanjakan’Andriamanitra) no manana ny marina, SADY tsy misy GOVERNEMANTA MANERAN-TANY mihoatra ny herin’olombelona hapetraky ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho avy, DIA TSY MISY AZO ANTENAINA intsony ny olombelona. 
Ny olombelona rehetra dia tandindomin-doza ho ringana avokoa.


Ny Vaovao Mahafaly Nambaran'i Jesosy Kristy

Nefa tsarovy izao nolazain’i Jesosy Kristy izao, raha afaka mino Azy isika (Lio. 4:43; Mar. 1:15; Mar.16:15-16):

« Fa hoy Jesosy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. » (Lio. 4:43)

« Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny .fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Mar. 1:15)

« Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jao. 6:40)

« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizayary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jao. 6:54)

« Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra » (Mar. 16:15) « Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina » (Mar. 16:16)

     Izay mino ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy mibebaka ka atao batisa amin’ny rano sy ny Fanahy Masina no ho vonjena hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra rehefa miverina Jesosy Kristy!

     Rehefa mihazona tsara ny finoana an'i Jesosy Kristy isika ary manaraka tsara ny planin'ny famonjena, ary mikatsaka isanandro ny Fanjakan' Andriamanitra sy mitory ny Filazantsaran'i Kristy, dia omen'i Jesosy Kristy antsika ny Fanalahidy ahafahana miditra ny Fanjakan'Andriamanitra.

Farany:

Aiza no ametrahanao ny finoanao? Ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve?  Sa ao amin’ny fampianarana foana, na ny mpamitaka sy ny mpanompo sampy ataon’izay antsoina hoe « Kristianisma » - izay avy amin’ny « fomba lazaina hoe Kristiana », milaza fa ny Fiangonana no Fanjakan’ Andriamanitra, na koa hoe ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsy inona fa fahatsapana tsy mazava sy maivan-danja « ao am-pon’ny olona rehetra »?

 Tena fotoanany mihitsy izao hahafantaranao hoe iza ireo mpaminany sandoka ireo? Fantaro koa hoe iza ireo tena mampianatra marina ny Tenin’Andriamanitra?

  • Raha tsy mino sy manaraka antsakany sy andavany ny Tenin'Andriamanitra ianao,
  • ary manao tsinontsinona ireo didy sy lalàna rehetra voatendrin'i Jehovah ho tandremana mandrakizay,
  • ary koa raha tsy mino amin'ny antsipirihany ny filazana an'i Jesosy Kristy araka izay voalazan'ny Soratra Masina ianao, 
  • dia ho voafitak'ireny mpaminany sandoka rehetra ireny ka ho lany andro foana amin'ireny fivavahana tsy araka ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra ireny, 
  • ary hahavery ny fanahinao ho amin'ny fahaverezana mandrakizay, satria tsy mampiorina ny finoanao amin'ny Soratra Masina irery ihany.

Fisaorana

« Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny Fanjakana mandrakizay mandrakizay. » Amena. (Apo. 5:13)