Ny Fanjakan'Andriamanitra ve tao am-pon'ny Fariseo?

 Maro ireo te hino fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hiditra ao am-pon'ny olona rehetra, ary tsy ekeny mihitsy ny filazana fa ny olona rehetra no hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.


Miara-mahita isika fa ireo mpandala izany foto-kevitra izany dia nanao fanahiniana tsy nihaino ny fanambaran’i Kristy mba hitazonany izany fehin-kevitra izany. Lazain’izy ireo fa « ara-panahy » fa tsy ara-bakiteny ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ovany ho fihetseham-po ao anatin’ny olona izany Fanjakana izany.

Ireo « manam-pahaizana manokana », very tao amin’ny fomba fisainany, no nitondra ny hevitra fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia mitoetra ao «am-pon’ny olona». Ireo mpisandoka ireo dia milaza fa ny fananana ny Fanahin’Andriamanitra dia midika ho fananana ny Fanjakan’Andriamanitra ao anaty. Ny fahadisoana nandritry ny taonjato maro dia nitarika olona an-tapitrisany hino io fitaka io fa tsy ny fahamarinana lazain’ny Baiboly.

Inona no toetran'ny Fariseo sy ny Sadoseo? 

Jesosy dia nananatra mafy ny Fariseo sy mpanora-dalàna noho ny tsi-finoany sy noho ny toetra ratsin'izy ireo. Ireo Fariseo sy mpanora-dalàna dia tena nihevi-tena ho olona marina, feno fahamarinana, mitandrina ny lalàna, ary tsy miovaova teo imason'i Jesosy. Nitady fomba rehetra izy hamandrihana sy hiampangana an’i Jesosy, ary matetika izy ireo no niandry kendry tohina Azy tamin’ny fomba rehetra (Matio 21:28-45, Matio 22:15-39, Matio 23). 

Ireto misy toetra vitsivitsy ambaran'ny Baiboly fa manamarika ny Fariseo sy Sadoseo.

  1. Mahay tsara ny lalàna sy ny didin'Andriamanitra izy ireo (Mat 23:2) nefa tsy mino an'i Jesosy Izay ambaran'ny lalàn'i Mosesy sy nosoratan'ny mpaminany.
  2. Tsy nino ny fahefan'i Kristy izy ireo, ary tsy nino ny fampianaran'i Kristy momba ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny planin' ny famonjena noho ny tsi-fahafantarany ny Soratra Masina (Mat 23:23-27, Mat 22:29-32). Izany no nilazan'i Kristy tamin'izy ireo fa hesorina aminy ny Fanjakan'Andriamanitra (Mat 21:43).
  3. Nolazain'i Kristy fa mpihatsaravelatsihy ny Fariseo sy Sadoseo ary feno tsi-fankatoavan-dalàna (Mat 23:28).
  4. Nolazain'i Kristy koa fa jamba ny mason'izy ireo nefa mitarika olona izy, ary izany no manakana ny olona tsy hiditra ao amin’ny Fanjakan'Andriamanitra, ka mahatonga azy ireny ho any amin'ny helo (Mat 23:13-17).
  5. Tia misehoseho sy manandra-tena izy ireo ary mihevi-tena fa tsara lavitra noho ny olon-drehetra (Mat 23:5-7). 
  6. Tsy manana fangorahana ny malahelo sy ny mahantra ny Fariseo sy Sadoseo, izany hoe tsy mandeha araka ny rariny sady tsy mamindra fo (Mat 23:23-24).
  7. Ny Fariseo sy Sadoseo dia mpitondra fiangonana feno fialonana, ary manenjika izay miezaka hampiverina ny maro ho amin'ny fahamarinana sy izay mitory ny filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny olona (Mat 23:34-37).
Isika koa matetika dia manana ny toetran'ny Fariseo sy mpanora-dalàna. Mety milaza fa mino an'i Jesosy Kristy isika, nefa mandà ny hery sy fahefan'Andriamanitra hamaha ny olana eo amin’ny fiainana. Matetika isika no tsy mahay manetry tena ka mirehareha amin'ny zavatra haintsika sy ny toerana misy antsika. Mbola manjaka betsaka ao am-pon'ny olona ny fahotana na fandikan-dalàna amin'ny maha-nofo antsika. Ny masirasiran'ny ota no manjaka betsaka ao am-pontsika satria tsy miezaka hifady ny ota isika, ka hitandrina ireo didy sy lalàn'Andriamanitra, ary handà izay rehetra mifanohitra amin'izany. Mbola manjaka betsaka amin'ny fiangonana Kristiana maro ny fitandremana didin'olombelona sy fombafombam-pivavahana tsy araka ny Soratra Masina, ary izay nefa dia nolovainy tamin'ny fiangonan-dehibe fahiny. Izany no mitarika ny olona hanohitra ny tenin'Andriamanitra marina, ary mahatonga azy ireo hihevitra fa lany andro ny lalàn'Andriamanitra, na koa hoe, natokana ho an'ny Jiosy sy ny zanak'Isiraely fahiny ihany ireo fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah izany. 

Ao am-pon'ny olona ary ve ny Fanjakan’Andriamanitra? 

Matetika isika no maheno olona betsaka milaza zavatra tahak’izao: ny Fanjakan’Andriamanitra dia mety haorina ao am-pon’ny olona raha toa ka miara-miasa ny Kristiana rehetra maneran-tany, mampitoetra ny fitiavana sy ny filaminana ary ny fandeferana amin’ny rehetra.

Avy aiza no nahazoan’izy ireo hevitra tahak’izany? Avy tamin’ny fandikana diso ny Lioka 17: 20-21 izany. Ao amin’io andininy io, Kristy dia ohatry ny milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia « ao anatinareo ». Raha milaza io andininy io fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatin’ny olona, dia manohitra ny teny rehetra izay efa nodinihantsika izany io andininy io.

Andeha hodinihantsika kokoa ny Lioka 17:20-21, manao hoe: “Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny Fanjakan’Andriamanitra”. “Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo*”. [*Na: efa eo aminareo]

Raha tsy te hahazo zavatra hafa ambaran’io andininy io ianao, dia fantaro tsara izao manaraka izao : Kristy dia niresaka tamin’olona mpaniratsira, ireo Fariseo sy Sadoseo, mpandainga sy mpihatsaravelatsihy. Na dia ekena aza izany hevitra maivana sy manjavona izany hoe : ny Fanjakan’ Andriamanitra dia ao am-pon’ny olona, dia tsy afaka mihitsy isika hampihatra izany ao am-pon’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna izay nifampiresaka tamin'i Jesosy Kristy ireo.

Ny Fariseo sy Sadoseo dia tena nihevi-tena ho olona marina sy tsy miovaova teo imason'i Jesosy. Nitady fomba hamandrihana an’i Jesosy izy ireo ary niandry kendry tohina hiampangana Azy tamin’ny fomba rehetra. Tena mifanohitra amin'izay voalazan'i Kristy momba ireo Fariseo sy mpanora-dalàna mihitsy ny fiheverana fa tao anatin’izy ireo ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 21:43, Matio 23 :13). Tsy tao am-piangonana izy ireo raha niresaka tamin'i Kristy, ary ny fiangonan’Andriamanitra dia azo antoka fa tsy tao amin’izy ireo mihitsy. Raha ny zava-misy, mbola tsy nisy akory ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao tamin’io fotoana io.

Tsara ny mandray izay TSY NOLAZAIN’I KRISTY tao amin’io andininy io. Izy tsy nilaza hoe « ny Fanjakan’Andriamanitra dia hapetraka ao am-pon’ny olona », na « ao am-ponareo ». Izay nolazainy dia hoe: « Indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatin'ireo ». Isika tokony hahazo tsara fa teto i Kristy dia tsy namaritra ilay Fanjakan’Andrimanitra toy ny zavatra ho avy, fa milaza ny zava-misy tamin’io fotoana iteneny io Izy.

Inona no hevitry ny teny hoe: "Ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo"? 

Io andininy io dia tena niova tanteraka miohatra amin’ny teny Grika nandikana azy. Ny teny Grika nampiasain’i Lioka teto dia midika hoe « eo afovoany » (tahaka ny amin’ny Frantsay) na « eo amin’ny ». Maro ireo mandika azy tahak’izany ary ny Baiboly rehetra dia ahitana ireo teny ireo avokoa amin’ny fanamarihana an-tsisiny na eny ambany.

Ny dikatenin’ireo Frantsay dia mampiasa ilay teny hoe « eo afovoany = au milieu ». Ny dikanteny Moffat (Anglisy) dia manome fijery tsara ihany koa. Izao no lazainy: « Izy namaly an’izy ireo, ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ho tonga tahaka ny fijerinareo azy, tsy misy olona hilaza hoe, « ity ilay izy » na « itsy ilay izy » satria ny Fanjakan’Andriamanitra dia eto afovoanareo ankehitriny »

Ndeha hanontany tena isika hoe inona, na iza no tian’i Kristy resahana eto? Iza ilay teo afovoan’ny Fariseo, teo amin’izy ireo?

Ilay Zanak’Andriamanitra, Jesosy Kristy mihitsy, dia tena nijoro teo afovoan’ireo andian’ny Fariseo ireo. Jereo araka izao ny zava-misy: Izy ireo dia teo anoloan’ilay solo-tena ofisialy izay « hanjaka » amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy. Jesosy Kristy Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka no nijoro teo anivon’izy ireo. Tena mazava tsara fa nanao modely ny tenany i Kristy amin’ny maha solo-tenan’ny Fanjakan’Andriamanitra Azy, teo afovoan’izy ireo tamin’ilay toerana nifampiresahany tamin'io fotoana io.

Fantaro tsara fa ny Fariseo dia nahalala tsara ny andininy maro mikasika ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy ireo nahafantatra tsara ireny andininy nianarantsika tao amin’ny Daniela ireny. Izy ireo koa nahazo izay nolazain’i Apostoly Petera taoriana, niresaka ny « Mpaminany Masina » sy ny « hampodiana ny zavatra rehetra », mifanaraka amin’ny faminanian’Isaia, Jeremia, Ezekiela, i Daniela sy ireo hafa koa. Ireo Fariseo sy Sadoseo kosa tsy niraharaha ireo andinin-tsoratra naneho ny fahatongavan’i Jesosy voalohany satria izy ireo nifantoka loatra tamin’ilay maneho ny fisehoany faharoa.

Mazava tsara amin’ny lafiny rehetra fa ireo Fariseo ireo dia tsy nino fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny Fiangonana. Tsy nino koa izy ireo fa fihetseham-po ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo tsara fa "manapaka" (gouverner), sy "manjaka" (régner) no zava-kendren’ny Fanjakan’Andriamanitra!

Ny olana anefa dia tsy fantatr’izy ireo hoe rahoviana io Fanjakana io no ho tonga, ary tsy azon’izy ireo koa fa tsy handroaka ny fanjakana Romana tao Palestinina no tanjon’izany Fanjakana izany. Raha azon’izy ireo tsara ilay fahatongavan’i Kristy voalohany, dia tokony ho azon’izy ireo kokoa ny « fotoana » fiaviany fanindroany sy ny antony tsy maintsy hitrangany aty aorina. Noho izany tsy fahalalany izany, izy ireo dia miandry Mesia Mpanafika izay hanampy azy amin’ny fanalana ny fifehezan’ny Romana izay ho soloan’ny fanjakana Jiosy manokana.

Nohazavain’i Jesosy tamin’izy ireo ny fahadisoan-keviny. Nasehony mazava tsara fa ny fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy fahatongavana amin’ny toerana kely, voafetra ao amin’ny faritr’i Palestina izay iainan’ny Jiosy.

Nanantena Fanjakana ara-bakiteny amina foko iray ny Jiosy, dia ny an’izy ireo ihany! Izany indrindra no nilazan’i Jesosy tamin’izy ireo mba tsy hieritreritra voafetra hoe “etỳ” na “erỳ”.

Tadidio fa ao amin’ny Jao 18:37, Kristy nilaza fa nateraka ho Mpanjaka Izy. Fantany fa ho tonga Mpanjaka avo indrindra amin’ny Fanjakany Izy. (Dan 7:17-18 sy 23 dia maneho fa ny teny hoe “Mpanjaka” sy “Fanjakana” ao anaty Baiboly dia teny afaka mifanolo).

Raha tohizantsika ny famakiana ny teny voasoratra ao amin’ny Lioka 17, dia tsy misalasala intsony isika ny amin’izay noresahan’i Kristy. Vakio ny andininy 24 izay mitovy ami’ny Mat 24:27 miresaka hoe: 
  • « Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona ». 
  • Kristy eto dia tena maneho fihaviana mampitolagaga mihitsy, izany hoe maneran-tany, izay hitan’ny maso rehetra tahaka ny fahitana ny fahazavana eny amin’ny lanitra. 
  • Nefa, mariho ny teny hoe « amin’ny androny », izay maneho fa zavatra mbola ho avy izany. Manokàna fotoana hamakiana ny andininy ao amin’ny Mat 24:26-30 sy ny fomba famaritany « ny andro izay hampisehoana an’i Kristy ».
Tena tsy azo heverina mihitsy izany hoe Kristy nilaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tao am-pon’ireo Fariseo tsy marina ireo, mpieboebo sy mpankahala; izy ireo izay tsy nitsahatra nisaina sy nitady fomba hamonoana an’i Kristy. Tsy azo heverina koa hoe nilaza Izy fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny fiangonana. 

Nampitandrina ny Fariseo tamin’ny fomba hentitra i Kristy teo aloha. Tsy misy isalasalana fa izany dia nahatonga fahatezarana tamin’izy ireo, ary nanosika azy hiandry vava latsaka amin’izay resak’i Jesosy momba ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny zavatra hafa, mba hiampangany Azy. 
Ao amin’ny Lio 13:28-29 dia nampitandrina azy ireo Jesosy hoe: « Any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify, raha mahita an'i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany. Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin'ny Fanjakan’Andriamanitra ».

Nilaza mazava tsara tamin’ny Fariseo i Kristy fa izy ireo dia tsy ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nomena alàlana hiditra ao izy ireo; tsy tahaka an’i Abrahama, Isaka ary Jakoba (izay fantatra tsara fa mbola tsy tafiditra any amin’izao fotoana izao (Heb 11: 13, 39-40).