Alohan’ny hiverenantsika any amin’ny Lioka, andeha ho
dinihana aloha izay nolazain’ny Daniela mikasika ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA.
Tadidio fa Kristy ho avy tahaka ny helatra avy any
atsinanana ka hita hatrany andrefana (Mat. 24:27). Tena fisehoana ho hita
maneran-tany io, izay tsy azon’ny olona handosirana.
Ho tonga hanjaka
irery ety ambonin’ny tany ve Izy sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy?
Afaka manontany isika hoe: rehefa tonga Izy hampitoetra io
governemantany maneran-tany io, iza avy no hiaraka aminy amin’ny rafitra izay
hapetrany?
Raha mitaky ny ezaky ny maro ny governemantan’ olombelona ho
fanampiana ny mpitondra, ho hafa noho izany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny
valiny dia: TSIA!
Ny Dan. 7:13 miresaka an’i Kristy izay ho avy eny amin’ny
« rahon’ny lanitra ». Alohan’ny hahatongavany, Andriamanitra nanome
Azy fahefana mba hanjaka amin’ny toerana izay hiverenany indray. Ny and.14
milaza hoe: « Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba
hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy;
ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy
ho rava » (Dan. 7:14).
Ndao hanontany tena
indray isika hoe: Hanjaka irery ve i Kristy, sa hisy hafa koa
hiara-manjaka Aminy?
Fomba manao
ahoana no hitantanan’Andriamanitra ireo mponina sy firenena amin’ny tany?
Tokony ho
azontsika tsara ireo andininy maro hafa ao amin’ny Daniela 7. Tadidio fa
nolazain’ny faminaniana hoe: ilay Fanjakan’ Andriamanitra dia tokony hanolo
ireo fanjakana efatra lehibe manerantany izay voasoratra ao amin’ny Daniela 2.
Vakio indray ny andininy 17 sy 18 manao hoe: « Ireo biby lehibe efatra ireo dia
mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny olo-masin'ny
Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay
alaovalo. ».
Minoa izay
lazain’io andininy io! Ny tanjon’ny fiantsoana lehibe ho an’ny Kristiana dia
hiara-manjaka ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra eo amin’ny fokom-pirenena
rehetra sy ny vahoaka rehetra. Kristy dia tena « MPANJAKAN’NY mpanjaka sy
TOMPON’NY tompo ». Ianao mety ho anankiray amin’ireo mpanjaka sy tompo
hafa ireo, tahaka ny olon-kafa izay nanaiky ny fepetra rehetra
napetrak’Andriamanitra mba hidirana ao amin’ny Fanjakany.
Ny Dan. 7:19-20
manazava bebe kokoa ny amin’izay tsy maintsy mitranga rehefa tonga miaraka amin’ny Kristy ireo Olona Masina. Ny adidin’ireo
voalohany dia ny hanolo ilay antsoina hoe « biby faha-efatra », izay
manjaka amin’ny alalan’ny « tandroka kely ». Io tandroka kely io dia
FANJAKAM-PINOANA sy ilay vehivavy mitaingina bibidia ao amin’ny Apokalypsy 17.
Io fanjakam-pinoana io (izay mifototra ao Roma) dia nanjaka tamin’ireo
fitsanganan’ny Empira Romana tamin’ny maty na fahaterahany indray taloha
nanomboka tamin’ny taona 554 taorian’i Jesosy Kristy.
(Dan. 7:19): « Dia naniry hahalala izay fototra
marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady
mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy
nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; » (Dan.
7:20): « ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa
izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso
sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny
namany. »
Vakio indray ny Dan. 7:21-22 manao hoe: « Mbola
nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy
azy, » ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo
Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana ».
Mazava tsara izay asain’ilay vehivavy janga Babiloniana atao ao amin’ny Apo
17:5-6.
Amin’ny farany, ilay faminaniana lavan’i Daniela dia
mifintina amin’ny andininy faha 27 izay manamafy indray ny fahafahana
mahafinaritra miandry ireo tena olo-masin’Andriamanitra. Izao no lazainy:
« Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny
ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny
fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy
hanoa Azy ».
Inona no tsotra
indrindra mihoatra an’izany ? Tsy mahagaga raha nilaza i Kristy hoe :
« Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny
jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny
fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko »
(Apo. 2 : 26-27). Eo amin’ny andininy lavi-davitra, nampiany hoe:
« Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza
fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny
Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany » (Apo. 3:21).
Ireo teny hoe « eo amin’ny seza fiandrianako » dia
nampiasaina satria Kristy nahalala fa ny seza fiandrianany dia ho eto an-tany,
raha any an-danitra kosa ny an’Andriamanitra Rainy. Ny Lio. 1:32 mampiseho hoe:
“Izy dia ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah
Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy”.
Tsy isalasalana
fa rehefa miverina i Kristy, ireo olo-masina dia hiara-manjaka aminy eto
AMBONIN’NY TANY!
(Ohatra, vakio ny
Apo. 5:10 sy ny Apo. 20: 4, ny Matio 5:5, ny Sal. 25: 12-13 ary ny Sal. 37:11).
« Ary efa
nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka
ambonin'ny tany izy. » (Apo. 5:10) « Ary nahita seza fiandrianana
maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary
hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny
tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia
na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho
eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo
taona. » (Apo. 20:4)
« Sambatra
ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany. » (Matio 5:5) « Iza no
lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony
hofidiny. » (Sal. 25:12) « Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny
taranany handova ny tany. » (Sal. 25:13) « Fa ny mpandefitra kosa no
handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana. » (Sal. 37:11)
Ndeha
hodinihantsika ankehitriny ny amin’ny fanoharana lehibe izay nomen’i Kristy mba
ho fantatry ny olona tsara izay fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny
fepetra takiana mba hahafahana manana anjara amin’izany.