Toy Inona Moa Ny Fanjakan’i Kristy?

Rehefa hapetraka ny fanjakan’Andriamanitra – eo ambany fitantanan’i Jesosy Kristy mivantana, Ilay zanak’Andriamanitra – dia ho toy inona?

Ho lasa inona ireo Kristiana nahatoky izay hatsangana amin’ny maty (1Kor. 15:51-52)?

Manao ahoana no firafitr’ilay Fanjakana?

Manao ahoana no fifandraisan’ireo olona masina natsangana tamin’ny maty sy ireo olona tsy niova fo izay mbola velona eto an-tany?

Ny Baiboly dia manome andininy maro be izay mitantara


ny 
Fanjakan’i Kristy izay ho avy. Fitantanana misy ambaratonga izany, tapahan’i Jesosy Kristy, Mpanjakan’ny mpanjaka, hatrany ambony no midina. (Apo. 19:16). 

Azontsika vakina koa ny Apo. 11:15 manao hoe : « Ary ny 
anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. »!


Amin’izany fotoana izany, ireo olo-masina dia hanao « hira vaovao » ho an’i Kristy manao hoe : « Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; » (Apo 5:9) « Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo 5:10). 

Araka izany, amin’ny andro farany, ny Fanjakan’i Kristy dia tsy hapetraka any an-danitra fa eto an-tany. Izany no ninoan’ny fiangonana voalohany sy nampianariny. Tsy hevitra vaovao mahagaga izany! 

Nefa, Nesorina Tsikelikely ny Tena Foto-Pinoana Kristiana ny Marina

Mifanohitra amin’izany anefa, io fahamarinana io dia « voafafa » tsikelikely arakaraky ny nampidiran’ny fiangonana Katolika hevitra tsy Kristiana, mikasika ny lanitra, ny afobe sy ny fomban’ny fanahy. 


Koa rehefa tafapetraka tsara ny fiangonana Katolika, dia navela tanteraka any ivelany ireo fahalalana nisy teo amin’ny Fiangonana voalohany naorin’i Kristy. 

Ny foto-pinoana momba ny Fanjakan’i Jesosy Kristy eto an-tany dia nolazaina aloha fa fanoharana lalina, avy eo dia hoe tsy azo antoka, tsy ilaina; ary nolavina sy nariana tamin’ny farany, satria nolazaina fa famoronan-kevitra fanoherana (herezia) sy firehidrehetana amin’ny hevi-diso (fanatisma). 


Ho Taom-Piadanana Tanteraka ny Fanjakan'Andriamanitra

Hanao ahoana ny fiainana any amin’ny tontolo izay hahafantaran'ny tsirairay sy hampiharany ny lalàn’Andriamanitra ? Ny Fanjakan’i Kristy dia ho taom-piadanana hahitana fa na ny bibidia aza dia ho malemy fanahy, araka ny voalaza hoe:

« Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa] » (Isa 11:6) 

« Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; » (Isa 11:7) « Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] » (Isa 11:8). 
Noho izany :
« Tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isa 11:9).

Ny Soratra Masina dia manambara fa ny olombelona tsy hilaozan’Andriamanitra rehefa voavotra tamin’ny fahababoana mahatsiravina sy fahoriana izay hozakainy mandritra ny Fahoriana Lehibe ateraky ny fifandringanan’ny olona sy ny Andron’ny Tompo famaliana:
« … Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; » (Isa 30:20) « Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. » (Isa 30:21).

Fotoana tapahin’ny lalàn’Andriamanitra feno fiadanana sy fahasambarana ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay ho avy

« Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy. » (Isa 35:9) 
« Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. » (Isa 35:10).

· Hampiasa ny talentany mandra-piverin’ny Tompony:
Ireo mpianatr’i Kristy « nino fa hiseho haingana tamin’ny androny ny Fanjakan’Andriamanitra » (Lio 19:11). 

Koa mba hanitsiana ny tsy fahafantaran’izy ireo, Jesosy nanome azy ny fanoharana momba ilay andrian-dahy nankany an-tany lavitra handray fahefana hanjaka dia hiverina. Ao anatin’io fanoharana io, Jesosy mitantara ny fomba handraisan’ny mpianany sasany valisoa arakaraky ny fahaizany nampiasa ny talentany.


· Hanapaka tanàna miaraka amin’i Jesosy Kristy

Rehefa tonga ny iray tamin’izy ireo nilaza hoe: « Tompoko, ny talentanao iray nahazoako tombony talenta folo » Jesosy namaly hoe: 

« Tsara izany, ry mpanompo tsara, satria nahatoky tamin’ny kely ianao, dia manapaha tanàna folo ». Tonga koa ny mpanompo faharoa nilaza hoe nahazoany tombony talenta dimy ny talentany iray, dia hoy Jesosy taminy hoe: « ianao koa, manapaha tanàna dimy » (Lio 19:16-19). 


Mazava hoazy, ny teolojianina moderna sasany miezaka « manazava ara-panahy » ireo fanoharana ireo. Nefa, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy, ny Soratra Masina mampivohitra mazava fa hametraka Governemanta ara-bakiteny eto an-tany Andriamanitra, eo ambany fitantanan’i Jesosy Kristy!


Ny mpanjaka Davida, izay hatsangana amin’ny maty miaraka amin’ireo olona masin’Andriamanitra hafa, dia hanapaka ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely, eo ambany fahefan’i Kristy mivantana! Rehefa mitantara ny fomba hamerenana an’Isiraely avy tany amin’ny fahababoany aorian’ny fiverenan’i Kristy ny mpaminany Jeremia dia nanoratra hoe : 

« Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb. azy] » (Jer 30:8) « Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho anao.[Heb. Mpanjakany] » (Jer 30:9).


Tadidio fa ny Mpamorona dia nanolo-tsaina ny mpaminany Hosea koa hitantara io fahamarinana fototra momba ny firafitry ny Governemantan’i Kristy izay ho avy io: 


« Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy. » (Hosea 1:3) « Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely. » (Hos. 1:4) « Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely. » (Hos. 1:5).

 Governemanta Misy Rafitra

Andriamanitra nanolo-tsaina ny mpaminany Ezekiela koa hanipika izany rafitra izany ka nilaza hoe : « Amin’ny andro farany», ny firenen’Isiraely rehetra hitambatra ho firenena iray : 

« Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany. » (Eze 37:24).

➾ Ny mpanjaka Davida ve hanapaka mivantana ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely – ny firenena – taranak’i Jakoba? Tsia. Hisy fitsinjaram-pahefana mirindra, tantanan’ny mpitondra 
fidian’ny mpanjaka lehibe sy tendreny, fa tsy mivoaka avy amin’ny vatom-pifidianana, na vokatry ny kajikajy politika. Araka izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Apostoliny tamin’ny faran’ny fiainany teto an-tany hoe: 


« koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy, » (Lio 22:29) « mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo, » (Lio 22:30).

⟹ Ny fanjakana amin’izao tontolo izao amin’ny ho avy dia hapetrak’i Kristy, Mpanjakan’ny mpanjaka. Eo ambany fahefany, ny mpanjaka Davida dia hanjaka amin’ny firenen’Isiraely manontolo. Eo ambany fahefan’i Davida kosa, ny Apostoly roa ambin’ny folo hatsangana amin’ny maty dia samy hanjaka hitantana tsirairay ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely.


Ny atao hoe "olona masina" dia ireo izay manana faharetana "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy." (Apo. 14:12) Ireo no honina ao amin'ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala ao Jerosalema vaovao. (Apo.29:9)



➾ Ireo « olo-masina » marin’Andriamanitra nino izay ampianarin’ny Baiboly dia hanana anjara amin’ny fitantanana ny tanàna samy hafa eto amin’izao tontolo izao araka ireo rafi-pitantanana ireo. Koa satria ilay rafi-pitantanana dia mifantoka voalohany indrindra amin’ny Jiosy, dia vao amin’ny Jentilisa, koa matoky isika fa io karazan-drafitra io ihany no hapetraka amin’ny firenena Jentilisa maneran-tany. Araka izany dia governemanta ara-bakiteny tantanan’i Jesosy Kristy, ilay « Mpanjakan’ny Fiadanana », no handidy fiadanana maharitra, sy fomba fiaina feno fifaliana amin’ny tany rehetra. 

➾ Isika tsirairay, raha maharitra ho Kristiana mahatoky, dia handray anjara amin’ny fametrahana izany fifaliana izany amin’ny firenena rehetra amin’ny fiverenan’i Jesosy Kristy! Hoy Izy: “Izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko » (Apo 2: 26-27). 

➾ Izany rehetra izany no Vaovao Mahafaly tsy mampino! Io 
no Filazantsara marina, tantarain’ny Baiboly. Izany indrindra no fototry ny nandrotsahan’i Jesosy ny rany, nanaovany sorona ny tenany hisolo ny fahotantsika, hampihavanana antsika indray amin’Andriamanitra.

Ireo Kristiana marina, vita fihavanana amin’Andriamanitra sy nandray ny fanomezana saro-bidin’ny Fanahy Masina, dia miomana hanampy ny Mpamonjy azy ireo hitantana ny tany rehetra. 

Mandritry ny Fanjakana arivo taona tantanan’i Kristy, ny tany dia ho afaka amin’ny herin’i Satana, ary fotoana feno fiadanana, fandrosoana sy fifaliana no hameno ny tany. Ny fomba fiaina marin’Andriamanitra dia hapetraka indray eto an-tany. Ny Soratra Masina manazava fa Andriamanitra handefa indray an’i Jesosy Kristy araka ny voasoratra hoe : 

« ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia 
Jesosy, » (Asa 3:20) « Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra. » (Asa 3:21). 

➾ Hitantsika fa ny mpaminany masina rehetra dia nilaza ny Vaovao Mahafaly momba ny « andro fampodiana ny zavatra rehetra » – izany hoe ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay ho avy. Izany tokoa, ny Testamenta Taloha dia feno filazana momba ny Mesia, izay ho avy hanjaka amin’ny tany rehetra!