Fampitandremana Hentitra mba Tsy Hanovana na Hamadihana ny Filazantsara

Ny marina momba izany resaka izany dia tena zava-dehibe tokoa ka nahatonga an’Andriamanitra hampanoratra an’i Paoly ho an’ny Galatianina tamin’izany – sy ho antsika amin’izao andro anio izao koa hoe : « Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantsoana anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa ; izay tsy Filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny Filazantsaran'i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy » (Gal 1:6-9).

Io fanambarana iray io dia tena hentitra mihitsy! Eo amin’ny toko manaraka (2:5), Paoly milaza fa niaritra izy « … mba hitoeran'ny fahamarinan'ny Filazantsara aminareo. » Misy mihitsy izany ny Filazantsara tena izy, fa ny hafa kosa diso.

Amin’ny fiteny hafa, Paoly tsy mba nampianatra filazantsara hafa na filazantsara famenony, hoatr’izay tian’ny hafa hampianarina sy ho lazaina. Nampiasain’Andriamanitra kosa izy mba hanoherana ny fampianaran-diso tahaka izany. Manambara ozona mihitsy izy ny amin’izany: « Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. » (Gal 1:8)

Nanazava koa i Paoly fa Andriamanitra nametraka ny fitahirizana ny Filazantsara tena izy tamin’ny Apostoly. Jereo ny 1 Tes 2:4: « Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny Filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay ». Andraikitra iray tsy tokony ho hamaivanina mihitsy ny fandraisana izany. 


Ny minisitra tena izy dia mampianatra foana izay rehetra andidian’Andriamanitra azy ireo, fa tsy manao izay « mahafinaritra ny olona » na ny « mpandalina » ny Baiboly akory. Noho izany, ny hevitra milaza hoe Paoly nampianatra filazantsara hafa (heverina ho mikasika an’i Kristy) dia tsy misy ilana azy, fa toy ny hoe nanambara fanozonana ho an’ny tenany ihany izy!
Izay rehetra mitory Filazantsara tsy izy dia efa tonga voaozona avy hatrany. Fa maninona ny olona no tsy matahotra hanao zavatra tahak’izany? Nahoana no misy olona maro mivonona hampianatra karazana filazantsara tsy izy? Ny lovantsofin’ny fiangonana Kristiana dia tsy mifanaraka amin’ny atao hoe Filazantsara.

Nahoana ?

Araka ny efa nambaran’i Kristy fa mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra ny Filazantsara, sy araka ny tsy fahafantaran’ny zanak’olombelona ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra, dia mihevitra ny olona fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia mety ho antokom-pinoana amin’ny lafiny iray na ny fitambaran’ny maha Kristiana. Amin’ny hafa, tsorin'izy ireo fotsiny amin’ny hoe « hatsaram-po » hita ao « am-pon’ny olona » no atao hoe filazantsara. Ny sasany indray mino fa ny « Arivo taona » izay ho avy no filazantsara. Ny sasany aza moa manambara avy hatrany fa ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsy natao ho an’ny zanak’olombelona ankehitriny mihitsy.

Izany rehetra izany dia tena tsy fahalalana lehibe!

Izay rehetra tsy mitory afa-tsy ny filazantsara malaza mikasika ny tenan’i Kristy dia voafitak’ilay andrianan’izao tontolo izao sy ny mpanompony (Apo 12:9), satria tsy mitory ny hafatra mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra izay nentin’i Kristy ho antsika. Izao no voasoratra ao amin’ny 2Kor 4:4: « Izay nohajambain'ny andriama-nitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny Filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik' Andriamanitra. »

Vakio koa ny 2Kor 11:13-15, izay nanoratan’i Paoly hoe : « Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin'i Kristy. Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon'ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany. »

Tena mivantana be izany, sady mahasosotra mihitsy aza. Nefa marina fa i Satana dia manana minisitra ohatry ny minisitr’ Andriamanitra.
Ireto andininy manaraka lazain’i Paoly ireto dia manome sy manoritsoritra ny asa ataon’ireo minisitra sandoka ireo: « Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin'ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin'i Kristy, tahaka ny namitahan'ny menarana an'i Eva tamin'ny fihendreny. » (2 Kor 11:3) « Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin'izany? » (2 Kor 11:4).

Raha Kristy no ILAY Filazantsara, nahoana indray « no misy Jesosy hafa » sy « filazantsara hafa » tononina ho loha-hevitra roa miavaka eto?

Tokony hifoha amin’ny fandrebireben’izy ireo ny olona – amin’ny hadisoan-kevitra faobe - izay lazaina fa hoe Kristiana nefa mandà ny FAHAMARINANA MAZAVA REHETRA ampianarina ao amin’ny Baiboly ! Ny planin’Andriamanitra ho an’ny zanak’olombelona dia tena mampitolagaga; ary tsy misy azo ampitahaina aminy izay noforonin’ny olona hanoloana izay efa nolazain’Andriamanitra. Izao tontolo izao dia misafidy ny tsy hiraharaha ny làlana mazava, tsotra sady miharihary ao amin’ny Baiboly mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ity boky ity ary no manazava ny fahamarinana mahavariana izay tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona.