Inona no Tanjon'ny Tena Kristiana?

Maro ny Kristiana no tsy mahazo ny Soratra Masina manambara ny Fanjakan'Andriamanitra.

Mety ho vofitaka ve ianao? Saika ny olona rehetra milaza ho Kristiana no mino fa raha vao maty izy dia miakatra any an-danitra ny fanahiny, tsy hanao na inona na inona, fa « hihantona » na hidonanam-poana any fotsiny mandrakizay!

Izany fomba fisainana izany, izay tsy mazava loatra, mampieritreritra hoe: ny Kristianisma dia hevi-jaza, tsy mahomby sy tsy marina. Ireo hevitra tsy mazava momba ny ho avy ireo dia tsy mamparisika hanitatra ny fitiavana an’Andriamanitra, na dia ho an’ny mpino tsotra fotsiny aza.

Na inona na inona miseho, ireo hevitra ireo dia tena diso tanteraka.
Tsarovy fa ny hany loharanon-kevitra azo itokisana momba ny ho avin’ny Kristiana dia tsy misy afa-tsy ny Baiboly. Andriamanitra no nanolo-tsaina tamin’ny Baiboly, ary ny faminaniany dia tanteraka marina, hatramin’izao andro izao

Ny Baiboly tsy mampianatra mihitsy hoe « mirenireny na mihantona any an-danitra ny fanahin’ny olona maty ». Izany hevitra izany no manome sary diso mikasika izay notorin’i Jesosy Kristy, sy sary diso momba ny “antso” marina ho an’ny Kristiana: Manamaizina ny tanjona marin’ny kristianisma izany!

Jesosy Kristy tonga hitory ny « Filazantsaran’ny Fanjakan’ Andriamanitra » (Mar. 1:14). Indraindray, io Filazantsara io dia antsoina hoe « Fanjakan’ny lanitra », indrindra fa ao amin’ny Matio, nefa tsy milaza izany hoe « fanjakana any an-danitra ».
Ny lanitra dia ny toerana misy ny seza fiandrianan’Andriamanitra, izay iaingan’ny fanapahany an’izao rehetra izao! Izao no teny ao amin’ny (Sal 115:16) « Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona. »


Ireo Kristiana voalohany dia nahazo tsara izany hevitra izany, araka izay hita ao amin’ny boky Asan’ny Apostoly sy ireo Epistily rehetra.

Maro tamin’ireo Kristiana voalohany anefa no nanantena fa Jesosy Kristy handroaka ireo mpanjanaka Romana, sy hametraka ny « Fanjakany » na ny governemantany hisolo izany. Nefa Jesosy nanazava fa tsy mbola tonga ny fotoany. Na izany aza, tsy nilaza velively Izy hoe tsy ho ara-bakiteny ny Fanjakany eto an-tany na governemantany.

Mariho izao nolazain’ny mpianany izao taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: « Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? » (Asa 1:6).


Inona no navalin’i Jesosy azy ireo?


« Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asa 1:7).

Izany valin-teny izany manamafy, tsy am-pihambahambana,

fa Jesosy dia hiverina hanorina fanjakana manerana izao tontolo izao eto an-tany
Manaraka izany, rehefa niakatra any an-danitra Jesosy, nisy anjely niteny tamin’ireo mpianatra hoe: « Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. » (Asa 1:11).

 Ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, Jesosy dia nanome famantarana maro izay hiseho amin’ny andro farany, mialoha ny hiverenany eto an-tany. Rehefa avy nilaza ny fikorontanana hiseho eto Izy dia nanambara hoe:

« Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra. »  (Lio 21:31). 

Jesosy tsy nilaza fa ny Fanjakany dia efa tafapetraka eto an-tany, na « ao am-pon’ny olona » – mifanohitra amin’izany, io Fanjakana io dia tsy maintsy « tonga » eto an-tany.

Ny ankamaroan’ireo mpandinika Baiboly dia mahafantatra izany. Nefa mahalana no mba torina izany zavatra izany. Tsy izany fa ny hevitra hoe: « mihantona na midonana-poana any an-danitra ny fanahy » no torina mahazatra rehefa mandevina « Kristiana ». Tsy resahana akory ny hoe: hiverina hanorina fanjakana ara-bakiteny eto an-tany Jesosy Kristy! 

Noho izany, ny tanjon'ny tena Kristiana dia ny handeha araka ny làlana nandidian'i Jesosy Kristy azy, dia ny hitory ny filazantsaran'ny fanjakan' Andriamanitra sy ny hikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra, fa tsy ny hikatsaka ny fanjakan'izao tontolo izao akory.
Literatiora sy fanazavana fanampiny : Tsindrio ity