Ny Fanjakan'Andriamanitra dia "Efa Akaiky"?

Ho tsiahivina avy hatrany ny Mar 1:15 izay ampianaran’i Jesosy hoe: « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra… ». 

Tsarovy tsara fa tamin’io fotoana io, Jesosy dia nilaza koa hoe: « … mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara ». 
Ny olona sasany dia mino fa rehefa mibebaka ary mino ny Filazantsara ka tonga mpikambana ao amin’ny fiangonana iray, dia efa tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay efa miandry azy ireo hatry ny ela eo « akaiky » eo.

Ny Fiangonana ve no Fanjakan'Andriamanitra?

Tahaka izay niseho tao amin’ny Lio 17:21, ny olona matetika dia mamaky ny andinin-tSoratra Masina izay tiany.

  • Jesosy Kristy dia tsy nilaza fa efa tafapetraka ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Tsy nilaza koa Izy hoe ny Fiangonana no ilay Fanjakan'Andriamanitra. 

Ireo zavatra ireo dia finoan’ny olona avy amin’ny lovan-tsofina (Mar 7:7), izay tandremany fa tsy ny tena tenin’Andriamanitra mivantana mazava tsara. 

Mampianatra didin'olombelona ny ankamaroan'ny Fiangonana

Hoy Jesosy tamin’izy ireo: « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy » (Mar 7:7).

Lio. 16:16 dia maneho amintsika, fa “ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo”. 

Ny fahalalana ny fomba hidirana ny Fanjakan'Andriamanitra no "akaiky"

Nefa hatramin'izao vanim-potoana izao dia tsy mbola tonga eto an-tany ilay Fanjakan'Andriamanitra na dia efa notoriany hatry ny ela aza izany. 
Ny 
fitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahafahana ho voaray hiditra ao, tamin’izany andro izany (tahaka ny amin’izao andro izao) no « akaiky »; izany hoe zavatra roa azo arahina tsara izany.