Nitory ny Filazantsara ny Mpaminany Rehetra

Nandritra ny toriteniny tamin’ny Fetin’ny Tabernakely, ny Apostoly Petera dia nanao filazana mahavariana izay toa tsy fantatry ny maro ao amin’ny tantara ara-Baiboly. Niresaka fotoana iray miavaka izy, nanao hoe :

« Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra. » « Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin'i Samoela sy izay nanarakaraka, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao. » (Asa 3:19-21, 24).

Efa rentsika, fa noraisina any an-danitra i Kristy. Nefa ny fiverenany dia mbola tsy tonga, mahatonga ny fitenenana  hoe « mandra-pihavin'ny ».

Hevero izao: Izay mpanompon’Andriamanitra tena izy dia nitory fa manakaiky ny fotoana fiavian’i Kristy sy ny « fanavaozany ny zavatra rehetra ». Talohan’ny fikomian’i Satana dia nisy teto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

Nandritry ny arivo taona maro, ireo mpanompon’Andriamanitra dia naminany tamin’ny an-tsipiriany ny amin’io hanavaozana ny tany io. Ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia manambara ny fiavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanavaozana ny zavatra rehetra.

Ity misy tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao izay maka ohatra amin’ny anankiray amin’ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. 

  • Ohatra, ny bokin’ny Joda dia mampahatsiaro ny faminanian’i Enoka, ilay Dadaben’i Noa. 
  • Olona niaina tamin’ny 4500 taona tany aloha, izany hoe talohan’ny safodrano i Enoka, fa naminany ny amin’ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay hiseho eto an-tany. Izao no soratan’i Joda momba izany: 
  • « Ary Enoka koa, ilay fahafito nandimby an'i Adama, dia efa naminany ny amin'ireny olona ireny ka nanao hoe: "Indro, tonga Jehovah mbamin'ny masiny tsy omby alinalina » (Joda 14) 
  • « hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan'ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin'ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan'ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy." » (Joda 15).

 

Fantaro tsara ny dikan’io andininy io. Manambara io fa ny olona Masina rehetra (ny tena Kristiana) miaraka amin’i Jesosy dia hitsara izao tontolo izao, « hampihatra ny fitsarana amin’ny “rehetra”… noho ny asan’ny haratsiam-panahiny rehetra ».

Milaza zavatra maro mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra ny Baiboly, ary tsy araka ny eritreretina aza. Averina eto indray fa ny marina dia tena mahavariana, toa mampikorontan-tsaina aza, nefa azonao fantarina izany.

Daniela Dia Nahazo Tsara

Daniela mpaminany, tahaka an’i Enoka, dia nahazo tsara fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitantanana ara-bakiteny izay hanjaka indray andro any amin’ny olona tena izy sy firenena tena izy eto an-tany. Tsy nino izy fa karazana « fahatsapana tsy fantatra mazava », na « fahatsapana manome fifaliana » ao « am-pon’ny olona » fotsiny izany. Tamin’ny karaza-nofy sy fahitana no nampisehoan’Andriamanitra taminy ny fomba hampiorenany ny Fanjakany eto an-tany sy ny fotoana hahatongavan’izany (Dan 1 :17).

Izay teny rehetra nambara tamin’ny Daniela dia tsy maintsy ho tanteraka: « Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin'ny andro farany. » (Dan 12:9). Isika izao dia ao anatin’io andro farany io mihitsy ankehitriny, sady misy porofo maro ny amin’izany. Vakio ny boky manao hoe : “ Ao anatin’ny ANDRO FARANY ve isika izao?” izay hahafantarantsika  tsara fa ny faminanian’i Daniela dia nosoratana ho an’izao VANINANDRO IAINANTSIKA izao! Ny hafatra nomena an’i Daniela dia natao ho antsika! Nitondra vaovao lehibe i Daniela – MAMPIVARAHONTSANA – izay hampisy fiantraikany amin’ny fiainanao! Ndeha ho jerentsika fa azony sy nampianariny koa ny Filazantsara izay notorin’i Kristy. Mila fantantsika tsara ny zavatra rehetra izay nolazainy.

Daniela dia tonga saina fa mpitondra teny sy hafatra ihany izy ary tamin’ny maha mpanelanelana azy no nanambaran’Andriamanitra ny planina mahagaga izay nataon’Andriamanitra. Ao amin’ny andininy faharoa, dia hitantsika fa niresaka tamin’ny mpanjaka Kaldeanina (Babyloniana) Nebokadinezara izy, mikasika ny nofy izay nataon’ny mpanjaka. Nebokadinezara dia filohan’ny fanjakana lehibe iray ambony firenena maro tamin’ny faha enin-jato taona teo talohan’ny vanim-potoan’i Kristy.

Ny mpisikidy sy ny mpanandron’ny Mpanjaka dia tsy nahay namantatra izay hain’Andriamanitra nambara tamin’ny mpaminany Daniela. Sary nasehon’Andriamanitra izany, tamin’ny alalan’ny nofin’ny mpanjaka, fa misy Andriamanitra velona sy mahefa ny zavatra rehetra izay manjaka amin’ny zavaboary rehetra, sy amin’ny mpanjaka rehetra, sy amin’ny fitondrana rehetra ary amin’ny mponin’ny tany rehetra, ary izy rehetra dia manaiky Azy. Ny zavatra fantatry ny mpanjaka Nebokadinezara, dia ny fisian’ny mpanjaka hafa sy ny andriamani-kafa maro inoan’izy rehetra. Ilay Andriamanitra tena izy anefa te haneho aminy ny fisian’ny fitondrany sy hampahafantatra azy fa manjaka amin’ny zavaboary rehetra Izy. Te haneho amin’i Nebokadinezara amin’ny fahafenoana koa Izy ny amin’ny FIKASANY LEHIBE hametraka io FANJAKANY io eto an-tany « any am-parany any ».

Manokàna fotoana hamakiana amin’ny faharetana ny bokin’ny Daniela 2: 28-44. Ity faminaniana mahavariana sy amin’ny an-tsipiriany ity dia manambara amintsika izay kasain’Andriamanitra hanavaozana ny fitantanana eto an-tany, sy ny tohin’ny fotoana kasainy hatao.

Ireo andininy voalohany mampiseho antsika sarivongan’olona lehibe. Ny andininy 32-33 milaza hoe: « Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga. » (Dan 2: 32-33) 

Hita aloha izany io fa sariolona, fa misy fizarany efatra samihafa izy io. Ny andininy 34 -35 milaza avy eo fa misy vato nandrava ilay sarivongana ka nanorotoro sy namotipotika azy mandra-pahatongany ho toy ny vovoka ary avy eo dia ho tonga tendrombohitra lehibe ilay vato ary nameno ny tany. Mariho fa ny andininy faha 34 dia milaza hoe: «… ambara-paha-nisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. » (Dan 2:34), satria Andriamanitra no nahatonga izany tamin’ny fomba tsy takatry ny saina, fa tsy ny olona.

Namotika ilay sarivongana ilay “vato” sy nisolo azy, mba tsy hisy afa-miala ny mponina rehetra fa tafiditra avokoa – ny tany rehetra. Ity dia tsy inona fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay hapetraka eto an-tany. Daniela nilaza sy nanambara fotsiny ihany izany hafatry ny Filazantsaran’ny Fanjakana izany, izay hotorin’i Jesosy aty aoriana. 

Tsy mila mino akory ianareo, satria ny Baibolinareo ihany dia efa milaza izany. Tsy mila olon-kafa akory handika sy hanavaza ireo andininy ireo amin’ny toeranao.

Raiso fotsiny ny andininy Dan 2:37, izay milaza mazava tsara hoe: « Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra; » ary koa ny Dan 2:38 manao hoe: « … dia ianao izany loha volamena izany ». Tokony ho ny Baiboly foana ihany no avelantsika hanazava izay ao aminy.

Ny andininy 39 – 40 nanohy ny fanazavana ny fanjakana telo mifanesy izay hanarakaraka ny an’i Nebokadinezara sy Babylona. Izany dia fahalalana izay tsy fantatry ny olona ankehitriny mihitsy na azony ny fampiarana azy.

Ireo andininy ireo mampiseho ny fifandimbiasana ara-tantara eo amin’ny FANJAKANA MANERAN-TANY, aseho amin’ny alalan’ny karazana vy samihafa mandrafitra ilay sarivongana.

Ireo dia fanjakana tena izy: (1) fanjakana Kaldeana-Babyloniana volamena, (2) fanjakana Persiana vita volafotsy, (3) ny fanjakana Makedoniana vita varahana, sy ny (4) fanjakana Romana, vita avy amin’ny vy, ary vy mifangaro tanimanga amin’ny fotoana ipoirany indray. Ny hafatr’ilay TANTARA tamintsika dia nampita fa efa nanjaka ireo fanjakana efatra ary ilay farany dia mbola hanjaka indray mandram-pametraka ilay FANJAKAN’ANDRIAMANITRA eto an-tany.

Andriamanitra mampiseho amintsika amin’izao andro izao, fa Izy no manorina sy manongana, avy eo manorina sy manongana indray, araka ny famerimberenana hatrany ny governemanta rehetra (ny fanjakana) eo amin’ny olombelona.