Teny Fanolorana

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » (Mar 1:14) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Mar 1:15)

« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Gen 1:26)

« Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo 20:4)

« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo 5:10)
Noforonina hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy ny olombelona!

      « Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; ary efa nanadino ny lalàn'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao. » (Hos 4:6)
        « Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. » (Oha. 19:2)


        « Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; ary izay miezaka mosalahy dia ho diso làlana. » (Oha 4:5)
         Ny fandraiketanao an-tsaina ny teny rehetra omen'ny Soratra Masina no hitondra fahalalana tsara ho anao, hahafantaranao momba ny fanjakana nomanin’i Jehovah ho lovainao miaraka amin’i Jesosy Kristy eto an-tany rahatrizay!

Fanontaniana momba ny Fanjakan'Andriamanitra

  • Inona marina ilay Fanjakan’Andriamanitra, izay notorin’i Jesosy Kristy?
  • Dia rahoviana izany no haorina eto an-tany?
  • Ny fiangonana maneran-tany ve izany?
  • Ny fanjakana arivo taona ve izany?
  • Ao ampon’ny olona rehetra ve no hita izany fanjakan’Andriamanitra izany?
  • Sa ve dia tsorina fotsiny hoe izay rehetra “tsara ao anatin’ny tsirairay” no fanjakan’Andriamanitra?
Ireo hevitra ireo no inoan’ny olona an-tapitrisany; nefa fahadisoana avokoa izany rehetra izany! Miteraka fifanjevoana sy tsy fifanarahana amin’ny tsy antony izany. Inty àry ny fanazavana tsotra atolotry ny Baiboly.