Ireo Olona Masina no Hiara-Manjaka amin'i Kristy

 Alohan’ny hiverenantsika any amin’ny Lioka, andeha ho dinihana aloha izay nolazain’ny Daniela mikasika ny FANJAKAN’ ANDRIAMANITRA.

Tadidio fa Kristy ho avy tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana (Mat. 24:27). Tena fisehoana ho hita maneran-tany io, izay tsy azon’ny olona handosirana. 

Ho tonga hanjaka irery ety ambonin’ny tany ve Izy sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy? 

Afaka manontany isika hoe: rehefa tonga Izy hampitoetra io governemantany maneran-tany io, iza avy no hiaraka aminy amin’ny rafitra izay hapetrany?

Raha mitaky ny ezaky ny maro ny governemantan’ olombelona ho fanampiana ny mpitondra, ho hafa noho izany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny valiny dia: TSIA!

Ny Dan. 7:13 miresaka an’i Kristy izay ho avy eny amin’ny « rahon’ny lanitra ». Alohan’ny hahatongavany, Andriamanitra nanome Azy fahefana mba hanjaka amin’ny toerana izay hiverenany indray. Ny and.14 milaza hoe: « Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava » (Dan. 7:14).

Ndao hanontany tena indray isika hoe: Hanjaka irery ve i Kristy, sa hisy hafa koa hiara-manjaka Aminy? 

Fomba manao ahoana no hitantanan’Andriamanitra ireo mponina sy firenena amin’ny tany?

Tokony ho azontsika tsara ireo andininy maro hafa ao amin’ny Daniela 7. Tadidio fa nolazain’ny faminaniana hoe: ilay Fanjakan’ Andriamanitra dia tokony hanolo ireo fanjakana efatra lehibe manerantany izay voasoratra ao amin’ny Daniela 2. Vakio indray ny andininy 17 sy 18 manao hoe: « Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo. ».

Minoa izay lazain’io andininy io! Ny tanjon’ny fiantsoana lehibe ho an’ny Kristiana dia hiara-manjaka ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra eo amin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny vahoaka rehetra. Kristy dia tena « MPANJAKAN’NY mpanjaka sy TOMPON’NY tompo ». Ianao mety ho anankiray amin’ireo mpanjaka sy tompo hafa ireo, tahaka ny olon-kafa izay nanaiky ny fepetra rehetra napetrak’Andriamanitra mba hidirana ao amin’ny Fanjakany.

Ny Dan. 7:19-20 manazava bebe kokoa ny amin’izay tsy maintsy mitranga rehefa tonga miaraka amin’ny Kristy ireo Olona Masina. Ny adidin’ireo voalohany dia ny hanolo ilay antsoina hoe « biby faha-efatra », izay manjaka amin’ny alalan’ny « tandroka kely ». Io tandroka kely io dia FANJAKAM-PINOANA sy ilay vehivavy mitaingina bibidia ao amin’ny Apokalypsy 17. Io fanjakam-pinoana io (izay mifototra ao Roma) dia nanjaka tamin’ireo fitsanganan’ny Empira Romana tamin’ny maty na fahaterahany indray taloha nanomboka tamin’ny taona 554 taorian’i Jesosy Kristy.

(Dan. 7:19): « Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; » (Dan. 7:20): « ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany. »

Vakio indray ny Dan. 7:21-22 manao hoe: « Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy, » ambara-pihavin’ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana ». Mazava tsara izay asain’ilay vehivavy janga Babiloniana atao ao amin’ny Apo 17:5-6.

Amin’ny farany, ilay faminaniana lavan’i Daniela dia mifintina amin’ny andininy faha 27 izay manamafy indray ny fahafahana mahafinaritra miandry ireo tena olo-masin’Andriamanitra. Izao no lazainy: « Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy ».

Inona no tsotra indrindra mihoatra an’izany ? Tsy mahagaga raha nilaza i Kristy hoe : « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko » (Apo. 2 : 26-27). Eo amin’ny andininy lavi-davitra, nampiany hoe: « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany » (Apo. 3:21).

Ireo teny hoe « eo amin’ny seza fiandrianako » dia nampiasaina satria Kristy nahalala fa ny seza fiandrianany dia ho eto an-tany, raha any an-danitra kosa ny an’Andriamanitra Rainy. Ny Lio. 1:32 mampiseho hoe: “Izy dia ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy”.

Tsy isalasalana fa rehefa miverina i Kristy, ireo olo-masina dia hiara-manjaka aminy eto AMBONIN’NY TANY!

(Ohatra, vakio ny Apo. 5:10 sy ny Apo. 20: 4, ny Matio 5:5, ny Sal. 25: 12-13 ary ny Sal. 37:11).

« Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. » (Apo. 5:10) « Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. » (Apo. 20:4)

« Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany. » (Matio 5:5) « Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. » (Sal. 25:12) « Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany. » (Sal. 25:13) « Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana. » (Sal. 37:11)

Ndeha hodinihantsika ankehitriny ny amin’ny fanoharana lehibe izay nomen’i Kristy mba ho fantatry ny olona tsara izay fihavian’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fepetra takiana mba hahafahana manana anjara amin’izany.