Inona no atao hoe "Filazantsara" ?

Jesosy nilaza hoe: «Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. » (Mar 1:15).

Misara-tsaina ny olona noho ilay “Filazantsara”?
Ny ankamaroan’ny olona tsy dia mihevitra an’io resaka io mihitsy. Ny fahamarinan’ny Filazantsara dia voafina amin’ny masom-panahin’ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana.
Hatramin’ny taonjato voalohany, dia nisy teti-dratsy hamitahana ny lova-tsofina Kristiana mikasika ny atao hoe “Filazantsara.” Na dia mampikorontan-tsaina aza io fanambarana io, dia izany indrindra anefa no niseho.

  • Mino ny ankamaroan’ny olona fa ny Filazantsara dia miresaka ny tenan’i Kristy. Tsy mahagaga mihitsy izany satria lehibe ny anjara asan’ny Kristy, nefa dia tsy Izy akory no ilay Filazantsara. Ny Baiboly mampiseho fa tsy afa-misaraka amin’ny Filazantsara i Jesosy Kristy.
Samy manana izay heveriny ho "filazantsara" avokoa ny fiangonana tsirairay avy.
  • Ny olona sasany mitory « Filazantsaram-pamonjena », na « Filazantsaran’ny famelan-keloka ». Ny hafa kosa mino « Filazantsaram-pahagagana », na « Filazantsara sosialy », na « Filazantsaran-tsakafo », na « fanasitranana », na « finoana », na koa « fanafahana. »
Izany rehetra izany dia hevitr’olona ihany izay tsy hita ao anaty Baiboly. Ireo rehetra ireo dia famantarana manaraka izay rehetra mino, na dingam-pamonjena, fa tsy ny Filazantsara akory! (Mar 16:17-18).

Mariho anie izay lazain’ny Lioka: « Ary taoriana kelin'izany, 
dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka Azy. » (Lio 8:1). Io Filazantsara io no notoriny. Araka izany no nilazany hoe: « … mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. » (Mar 1:15).

Inona marina ilay “Filazantsara”? Ny amin'ny “Fanjakan’Andriamanitra.”


Arak’izany koa ny Mar 1:1 hoe: « Ny niandohan’ny 
Filazantsaran’i Jesosy Kristy ». Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy dia miresaka ny Fanjakan’Andriamanitra ary tsy misy hafa! Tokony hino sy hahazo io Filazantsara io isika raha te ho voavonjy. Tsy mila hosoka na solony izany.

Inona marina ny filazantsaran'i Jesosy Kristy?

Ny filazantsaran’i Jesosy Kristy dia miompana amin’izao hevi-dehibe manaraka izao:
  • Manazava ny fizotry ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny zava-boahary rehetra
  • Milaza momba ny fomba hametrahany ny Fanjakany eto an-tany koa izany
  • Ao anatin’izany no ampianarany ny fomba hahatongavantsika ho zanak’Andriamanitra, mandova fiainana mandrakizay, miara-manjaka amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanjakany, manjaka amin’ny zava-boaary rehetra noforoniny.
  • (Mar 1:14-15; 16:15-16; Mat 25:34)
« Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy 
nitory ny filazantsaran'Andriamanitra » (Mar 1:14) « ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. » (Mar 1:15)
« [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] » (Mar 16:15) « [Izay mino* sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Mar 16:16) 

(*Mino ny filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra).
« Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; » (Mat 25:34)

Inona ny fikasan'Andriamanitra hatrany am-piandohana?

  • Ny fikasan’Andriamanitra hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona dia efa hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
  • Noho izany, ny tanjon’ny famoronana ny olombelona dia ny hahatonga azy ho zanak’Andriamanitra manana fiainana mandrakizay sy miara-manjaka aminy (Apo 21:3).
« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » (Apo 21:3)

Inona ireo dingam-pamonjena notendren'i Jehovah hotandreman'ny zanak'Andriamanitra?

Ny Fotoam-pivavahana voatendrin’i Jehovah no mampianatra ny Planin’Andriamanitra hahatongavana amin’izany Fanjakany izany, satria mirakitra ny dingam-pamonjena rehetra (“fa ny tenany dia an’i Kristy”; Kol 2:16-17).
Naverin’i Jehovah in-telo ny fandidiana fiantsoana fivoriana masina amin’ny fotoany avy amin’ireo fotoam-pivavahana notendreny ireo.


Lalàna ny amin'ny fanamasinana ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah

« Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: » (Lev 23:1, 2, 4, 37)
· « Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ny amin'ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masina, dia izao no izy. » (Lev 23:2)
· « Izao no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, dia fivoriana masina hantsoinareo amin'ny fotoany avy. » (Lev 23:4)
· « Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masina … samy amin'ny fotoany avy izy rehetra, » (Lev 23:37).

Misy antony lehibe izany satria Jehovah no nanamasina azy sy nandidy azy ireo ho mandrakizay, araka ny nanomezany azy an’i Mosesy, hotehirizin’ny Zanak’Isiraely hatramin’ny taranaka fara-mandimby, mba homena antsika Kristiana aty amin’ny Testamenta Vaovao. 
« Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho Lalàna mandrakizay. » (Eks 12:14)