Ilay Vehivavy ao amin'ny Apokalypsy 17

Ny fampitahana ny Daniela 7 amin’ny Apokalypsy 13 sy 17 dia milaza marina fa misy fahaterahana im-pito amin’ny Fanjakana Romana.

Apokalypsy 17: 9 – 14:  “9 Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.”“10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.”

“11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.” “12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.”

“13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.” “14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.

 

Aseho amin’ny endrika bibi-dia ireo Fanjakana ireo ao amin’ny Apokalypsy 13 sy Daniela 7.

Apokalypsy 13: 1-7:

“1 [Ny amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia

niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3] 2 Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. 3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.

4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy? 5 Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena fahefana mba hiasa*** roa amby efa-polo volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [* Na: haharitra] 6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] 7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokompirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry. 8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.”

Daniela 7: 2 – 12:

“2 Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe. 3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina. 4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.

5 Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolantehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be. 6 Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.7 Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo. 8 Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.

9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. 10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. 11 Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy. 12 Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.”

 

Inona avy ireo fanjakana voalaza ireo?

 

Ny enina amin’ireo Fanjakana voalaza ireo dia efa tanteraka, ka ireto avy izy ireo:

1.      Emperora Justinien, taona 554,

2.      Emperora Charlemagne, taona 800,

3.      Emperora Otton 1er le Grand, taona 962,

4.      Charles Quint, (Habsbourg), taona 1530,

5.      Napoléon Bonaparte, taona 1804,

6.      Mussolini, (sy Hitler), taona 1935.

 

Ary ny iray sisa ambiny dia eo andalam-pahatanterahana, ka haharitra telo taona sy tapany eo izany, mandritry ny vanim-potoana antsoin’ny Baiboly hoe Fahoriana Lehibe (Matio 24, 21-22), sy ilay antsoiny hoe «andro fahoriana ho an’i Jakoba» (Jeremia 30: 1-7). Aorian’io fitsanganan’ny fanjakana Romana farany io no hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

Zava- dehibe ny mahazo ny fifandraisan’ireo fahaterahana fito ireo (na fitsanganana) amin’ny fitondrana Romana.

Ny Apokalypsy 17 dia manoritsoritra tsirairay izany fahaterahana fito izany, arahana « …vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo. » (Apokalypsy 17:3). Ireo loha fito ireo dia ilay fahaterahana fito misaraka ary ny tandroka folo dia mampiseho ny fahaterahana farany izay arafitry ny mpanjaka folo.

 

Mikasika ilay vehivavy, ny andininy faha 5 sy 6 milaza hoe: « ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe:

ZAVA-MIAFINA,

BABYLONA LEHIBE,

RENIN'NY MPIJANGAJANGA

SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY. »

(Apokalypsy 17:5)

« Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra. » (Apokalypsy 17:6). Ny andininy 1 miantso azy amin’ny anarana hoe « ilay vehivavy janga (dia Babylona), izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro » (Apokalypsy 17:1). Ny andininy 15 manazava fa “ny rano maro” dia “ny mponina”, “ny vahoaka”, “ny firenena”, “ny samy hafa fiteny”.

 

Ity dia famariparitana amin’ny antsipiriany ny fahalebiazana sy ny herin’ny fiangonana iray “manompo sampy” izay nidina avy eo amin’ny rafi-pitondran’i Babylona. Ny andininy 2 dia miresaka ny «fahavetavetany» miaraka amin’ireo « mpanjaka amin’ny tany ». Ary ny andininy faha-18 miresaka ilay vehivavy tahaka ny « renivohitra lehibe izay manana ny fiandrianana amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra».