Jesosy Kristy dia nilaza hoe : « Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] » (Jao. 14:1) « Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. » (Jao. 14:2)
Milaza ny
fomba hiarovana ny fontsika tsy halahelo
Jesosy Kristy. Tsy milaza
izany hoe tsy hanana eritreritra mandà sy mampamoy fo isika – tsy maintsy miady
isika amin’izay fotoana izay. Nefa ireo andininy ireo manome antsika ny fomba
entitra hampitony, dia ny fametrahana ny tanjontsika amin’ny tranon’i Jehovah.
Aiza Ny
Tranon’ny Ray?
·
Teo
Amin’ny Zanak’Isiraely
Jesosy dia niteny foana hoe: ny Tranon’ny Ray dia ny
Tempoly ao Jerosalema. Ohatra: Isa. 56:7; Lio. 2:49; Mar. 11:17; Jao.
2:16.
« Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliko ao
an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia
hankasitrahana eo ambonin'ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano
fivavahana ho an'ny firenena rehetra. » (Isa. 56:7)
« Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na: eto amin'ny raharahan'] » (Lio. 2:49)
« Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny
tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa
ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11). » (Mar
11:17)
« dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto
zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. » (Jao. 2:16)
·
Mandritry
Ny Milenioma
Mandritra ny Milenioma (Fanjakana arivo taona), ny Tranon’ny Ray dia ho ny tempoly ao Jerosalema. Nefa raha niteny i Kristy hoe “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro”, dia nilaza momba ny fotoana aorian’ny Milenioma, satria ny asa hataontsika mandritry ny Milenioma dia haharitra mandrakizay! Ny Apo. 3:12 milaza fa « tsy hiala amin’io tempoly io intsony isika ». Hiasa mandrakizay avy eo amin’ny tranon’ny Ray isika!
Ny tempoly izay narafitry ny olon’Andriamanitra dia nalaina ohatra avy amin’ny tempoly any an-danitra. Ny Ezra 8:29 miteny momba ny efitrano na birao ao anatin’ny tranon’ny TOMPO. Ny Jeremia 36:10 miteny momba ny efi-tranon’i Geramia izay mampiseho fa nanana fiandrianana izy, sy efi-trano na birao mifanandrify amin’io fiandrianany io ao amin’ny tranon’i Jehovah.
Jeremia 35:2 miteny momba ireo efi-trano, na birao ao anatin’io Tranon’i Jehovah io. Ny 1 Mpanj. 6:5 koa mampahatsiaro an’ireo efi-trano ao amin’ny tempoly nataon’i Solomona - dia birao manodidina ny tempoly.
·
Aorian’ny
Andro Lehibe Farany
Ny
tranon’i Jehovah Ray dia miorina any an-danitra. Hampidinina eto an-tany izany
miaraka amin’i Jerosalema vaovao aorian’ny fotoana tsy hisian’ny olona nofo
aman-drà intsony ety an-tany. Izany dia fotoana tsy hisy afa-tsy fanahy irery,
aorian’ny Andro Lehibe Farany.
Jerosalema vaovao dia ho feno BIRAO TENA IZY! Hiaina sy hiasa mandrakizay ao anatin’io trano tsara tarehy, mahagaga sy kanto io isika, miaraka amin’ny Raintsika sy ny Vadintsika ! Kristy nilaza fa « handeha hamboatra fitoerana ho anareo », ho an’ny TSIRAIRAY ! (Jao 14:3). Tsy maintsy samy mandray izany mitokana isika. Andriamanitra miantoka fa samy hanana toerana – birao sahaza - ny tsirairay.
NY TRANON’I JEHOVAH DIA NAMBOARINA HO ANTONONA NY
MPIARA-MIASA AMIN’I JESOSY KRISTY ! Ny toerana tazomin’ny tsirairay dia
miankina amin’IZAY ATAONTSIKA. HOMENA VALISOA mifanaraka amin’ny ASA vaovao
IANDRAIKETANTSIKA SY IZAY NATAONTSIKA taloha NANAMPIANA NY ASAN’ANDRIAMANITRA
isika. Tena izany mihitsy no fomba fanao. Hevero tsara izany eo am-panampianao
ny asan’Andriamanitra ankehitriny.
·
Ny
Tempoly Amin’ny Andro Ho Avy
Ny Apo 21:1-4 milaza momba io tempoly amin’ny andro ho
avy io. [Ny
amin'i Jerosalema vaovao] « Ary
nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy
ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. »
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. »
« Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] » « Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. »
Izany no karazana birao izay omanin’Andriamanitra ankehitriny ho antsika rehefa miasa isika ! Nanomana birao ho an’ireo voaloham-bokatra nandritry ny fotoana rehetra Izy. NY ANDRAIKITRA HOTAZONINAO DIA MIFANARAKA TSARA AMIN’NY TOLONA NA ADY VITANAO SY NY FANDRESENAO, ary Andriamanitra hanendry andraikitra ho anao arakaraky ny talentanao. Fitsarana tena marina izany.
Araka ny lazain’ny 1 Kor 15:41 hoe : SAMY HAFA NY KINTANA ARAKA NY VONINAHINY, dia toy izany koa ny voninahitra hananantsika amin’ny ho avy satria samy hafa araka ny asantsika. Hifanaraka amin’ny fahazotoan’ny fontsika tamin’ny nanaovana ny asan’ Andriamanitra ny voninahitra hananantsika.
Ny voninahitrao mandrakizay dia ambony indrindra noho ny zava-drehetra amin’izao tontolo izao. Aza mety ho voafitaky ny hatsaran-tarehy na ny zavatra hita maso. Ny hatsaran-tarehy izay hiantefan’ny fientanam-ponao dia ny “HATSARAN-TAREHY MANDRAKIZAY”! Tamin’izany no namonosan’i Kristy ny fanahiny. Izany no zava-drehetra ho Azy !
Kristy nilaza toy izao koa ao amin’ny Jao 14:3 « …
Ho avy indray Aho, ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no
hitoeranareo koa. » Handray antsika Izy – isika tsirairay.
Nalahatra
Indray Ny Planin’ny Famoronana
Nalahatra indray ny planin’ny famoronana manontolo taorian’ny fotoana nikomian’i Losifera. Rehefa izany dia nifototra tamin’ny famoronana ny olombelona ny planin’ny onivera* manontolo (*“univers”)! Ireo zanak’Andriamanitra indray ankehitriny no ivon’ny fiahiana.
Ny famoronana manontolo – izay rehetra hitanao – dia halahatra manodidina ny tranon’ Andriamanitra ! Hivelatra manerana ny onivera ny fitantanan’ny tranon’Andriamanitra. Tsy ho hitantsika intsony ireo fahasimbana misy eto an-tany amin’izao fotoana izao. Ny tany no ho foibem-pitantanana mandrakizay.
Ny loza faran’izay lehibe dia ny miamboho ny zavatra ho avy ! Kristy dia miteny momba ny tranon’ny Ray. Koa zanak’Andriamanitra miandry fahaterahana isika, ary Andriamanitra nanome zo antsika ho teraka ao anatin’ny fianakaviany sy honina miaraka aminy ao an-tranon’ny Raintsika!