Miditra amin'ny Fanjakana

 Tsy misy fotoana betsaka intsony alohan’ny ahatanterahan’izany fitsanganana farany izany. Ny zavatra rehetra dia eo an-dalam-piforonana izao! Avy eo, dia hanaraka izany ilay Fanjakan’Andriamanitra mahafinaritra (Apokalypsy 19: 11-16). Ireo governemantan’olombelona rehetra — ireo firenena kely sy lehibe eto an-tany amin’izao andro izao — ho potika sy hosoloin’ilay FITONDRAN’ANDRIAMANITRA MANERANTANY.


Afaka kelikely, izao tontolo izao hahita ny fahatanterahan’ny Apokalypsy 11:15 manao hoe: « …Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay. ».

Tahaka ny tsy isian’ny fisalasalana fa misy fanjakana marina amin’ny firenena rehetra amin’izao andro izao, dia tsy tokony hisy fisalasalana koa, raha mifototra amin’io andininy io isika, fa ny Fanjakan’ Andriamanitra hapetraka eto an-tany hisolo azy dia tena marina sy ara-bakiteny!

Jesosy Kristy dia nateraka ho mpanjaka — mba hanjaka amin’ny mponina rehetra amin’ny tany mandrakizay ary miaraka amin’ny fanampian’ireo mpanjaka maro izay nateraka ho Fanahy (ireo olom-boavonjy). Izany dia lohahevitra fototry ny Baiboly.

Vakio indray: « Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha. Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO. » (Apokalypsy 19:15-16).

Nisy olona ve efa nanazava toy izany tamintsika ireo andininy ireo? Tsy mbola naheno izany zavatra izany mihitsy aho tamin’ny fiangonan’ny fahatanorako; nefa ireo izy, asehontsika mazava tsara!

Ny rehetra dia samy te hahafantatra ny fotoana hiverenan’i Kristy. Ny mpianany nanontany azy nanao hoe: « ... Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao. » (Mat. 24:3)

Ny fitambaran’ny andininy 48 manaraka no manome ny valin-teny izay nomen’i Kristy azy ireo; voatantara amin’ny antsipirihany sy mifampitohitohy ireo zava-mitranga hiseho amin’ny fiverenany. Ny andininy faha 36, izay miresaka ny fotoana marina hiverenany, dia milaza hoe: « Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. » (Mat. 24:36)

Afaka herin’andro vitsy taoriana, ao amin’ny Asa 1:6-7, alohan’ny hiakaran’i Kristy any an-danitra, nitondra porofo ireo mpianatra fa tsy mbola tena azon’izy ireo tsara, na nekeny, ny amin’ny fanazavana izay nomeny azy ireo. Izany indrindra no nametrahany fanontaniana tamin’i Jesosy indray hoe: « … Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] » (Asa 1:6 -7)

Zava-dehibe tokoa ny manamarika fa folo andro taorian’io tranga io fotsiny dia tafatsangana ny fiangonan’ny Testamenta Vaovao (Asa 2:1). Fa maninona Kristy no nilaza hoe «Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana » raha ny Fiangonana no ilay Fanjakan’Andriamanitra izay noharina, saika teo noho eo, (amin’ny Pentekosta), dia folo andro taoriana?

Tahaka izany koa ny antsika amin’izao fotoana izao. Isika tsy afaka mamantatra hoe rahoviana marina ny Fanjakan’i Kristy no ho avy, nefa isika dia afaka manao fanombanana tsara momba izany. Ao amin’ny Lio. 21:31, ny faran’ilay faminaniana lava be mirazotra amin’ny Mat. 24, Kristy dia manambara hoe: « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] » (Mat. 24:33)

Tiany ho fantatr’ ireo mpianany « Fa hahazo hery izy ireo, “dia ny Fanahy Masina hilatsaka aminy” » (Asa 1:8), nefa tsy amin’izany no fotoana hametrahana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tahaka izany koa ho an’izay rehetra miova fo amin’izao andro izao. Isika tsy misy mahafantatra hoe rahoviana marina i Kristy no hiverina, nefa kosa isika mahafantatra fa hahazo hery handrosoana sy handresena ary hitoriana ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara-piveriny.