Ny Ezaka Ataon'ny Olona Tsy Mahapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra

Ny tena Kristiana dia mba tsy isan’ireo izay manao fanandramana « hanatsarana izao tontolo izao », “mitady fomba hametrahana ny FANJAKAN’ANDRIAMANITRA eto an-tany”.
Ny nomen’Andriamanitra azy ireo kosa dia « kiraro fahavononam-panahy avy amin'ny Filazantsaran'ny fihavanana eny an-tongony » (Efe. 6:15). Ny tena kristiana mamakivaky ny fiainana izy ireo, miaraka amin’ny fahalalana ny tena Filazantsara, izay afaka manome ny zavatra tsara rehetra tadiavin’ny olombelona. 

  • Fantatr’izy ireo amin’ny fahatokiana fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho avy.
  • Fantatr’izy ireo koa ny zavatra miandry izao tontolo izao.
  • Tsy handeha hanompo eo ambanin’ny sainam-pirenena maro izy ireo
  • Tsy hamono olona ao anatin’ny ady tsy am-pisainana sy tsy misy fiafarana, ataon’ny olona sy ny fokom-pirenena maro, na handray anjara amin’ny governemantan’ireo.

Tsy mandray an-tànana ny zavatra rehetra izy ireo mba hilazany tena hoe « mampiely ny Fanjakan’Andriamanitra »; koa dia manafoana ny Planin’Andriamanitra izy ireo, izay mampianatra fa tsy mahay mifampitondra akory ny olombelona.

Jereo anie ny antony nanainga an’i Paoly hanoratra hoe: « Satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.  « Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjò azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy. Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. » (1Tes. 5:2-4)

Izay rehetra mahazo ireo fahamarinana voarakitra ato anatin’ity boky ity tsy mba ho any amin’ny « fahamaizinana » izany, satria fantany ny "hery mitatao" mahagaga izay ananany, sy ny Planin’Andriamanitra. [Hery mitatao = « Fahefana ao aminy, miandry fotoana hisehoany »]

Raha mampahatsiaro ny Isa. 52:7 i Paoly, dia nilaza hoe : « Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! » (Rom. 10:15). Eo amin’ny andininy faha 16, izy manohy ny an-dalana avy ao amin’ny Isaia : « Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53:1.) [*Na ny Filazantsara]  

Eny, ny ankamaroan’ny olona tsy mino ny Tenin’Andriamanitra ny amin’izay miandry ny sivilizasiona. Tsy mino izy ireo hoe tsy mahavita mampitoetra ny filaminana amin’ny hery maha-olombelona. Maro no mihiaka hoe: « Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! » (Jer. 6:14; 8:11-14-15), ary ny ankamaroany mbola mino amin’ny faharetana ihany ny amin’ny fitoriana dison’ny olona, na dia efa miatrika tsy fahombiazana lehibe aza. 

Tsy mahapetraka ny Fanjakan'Andriamanitra na oviana na oviana ny ezaka ataon'ny olombelona!

Ny Kristiana mirazotra eto amin’izao tontolo izao manohy sy misasatra amin’ny fanandramana mametraka ny Fanjakan’ Andriamanitra, sy ny filaminana manerana izao tontolo izao amin’ny alalan’ny ezak’izy ireo. Ireo mpitondra fivavahana voafitaka manohy misarika azy ireo, milaza fa « adidin’ny Kristiana izany ». Maro mihitsy aza no manao izany ho asa voatokana ho an’ny ministeran’izy ireo. Olona an-tapitrisany maro no mitady hatraiza hatraiza ny fiadanana, ny fahampiana, ny filaminana ary ny fiarovana. Tsy ho ela akory, dia tena ho diso fanantenana mihitsy izy ireo. Ny anton’izany dia ny zava-misy amin’izao tontolo izao, izay mitondra antsika mankany amin’ny vanim-potoana mandoza farany maneran-tany, ary mbola mitombo amin’ny faharatsiana vao hivoatra amin’ny tsara, raha hety.

« Ho Tonga Anie Ny Fanjakanao »

Zatra manao ilay vavaka antsoina hoe « Vavaka nampianarin’ny Tompo » (na hoe Rainay any an-danitra) ny sasan-tsasany amin’ny olona. Maro ny olona mahavita mitanisa tsianjery izany vavaka izany tsy misy ezaka akory, satria tsy azon’izy ireo fa napetraka ho modely fanaingana ny fanahy ihany izany. Fony mbola efatra taona aho dia nahay ilay vavaka. Izy dia manomboka amin’ny hoe « Rainay izay any an-danitra ! Hohamasinina anie ny Anaranao ; ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra… » (Mat. 6:9-10). Io vavaka fohy io dia mitohy amin’ireo andininy telo manaraka.

Kanefa, firy amin’ireo maro be aman-tapitrisany, izay mahalala sy mitanisa izany, no misaina ilay fehezan-teny hoe « ho tonga anie ny fanjakanao », na koa hoe « hatao anie ny sitraponao ety an-tany ? Nandritry ny 2000 taona, maro be ireo izay nanandrana nanaiky ireo torohevitr’i Kristy am-bavaka hoe “ho tonga anie ny fanjakanao” no tsy mieritreritra izay dikan’ilay fehezan-teny kely mavesa-danja. Tsy mbola eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, fa mivavaha mba hahatongavany. 

Efa noeritreretinareo ve io ?

Amin’ny andininy tsy lavitra loatra, ao anatin’io toko io ihany, Kristy milaza hoe: « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat. 6:33).

Tokony hataon’ny Kristiana VOALOHANY indrindra ny mitady ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’izy ireo, mihoatra ny zavatra rehetra. Ahoana anefa no hitadiavany izany raha tsy fantany akory izay dikany - na rahoviana ilay izy no hapetraka – na hoe ahoana no hampisy fiantraikany azy io amin’ny famonjena azy? Fanontaniana fanampiny: Iza no mpanjaka ao? Iza no vahoaka ao? Inona no lalàna ao? Toerana aiza no hisy azy?

Fantatrareo izy izao!