Ho tsiahivina avy hatrany ny Mar 1:15 izay ampianaran’i Jesosy hoe: « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra… ».
Tsarovy tsara fa tamin’io fotoana io, Jesosy dia nilaza koa hoe: « …
mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara ».
Ny olona sasany dia mino fa rehefa mibebaka ary mino ny Filazantsara ka tonga
mpikambana ao amin’ny fiangonana iray, dia efa tafiditra ao amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra izay efa miandry azy ireo hatry ny ela eo
« akaiky » eo.
Ny Fiangonana ve no
Fanjakan'Andriamanitra?
Tahaka izay niseho tao amin’ny Lio 17:21, ny olona matetika dia mamaky ny
andinin-tSoratra Masina izay tiany.
- Jesosy Kristy dia
tsy nilaza fa efa tafapetraka ny Fanjakan’Andriamanitra
- Tsy nilaza koa Izy hoe ny Fiangonana no ilay
Fanjakan'Andriamanitra.
Ireo
zavatra ireo dia finoan’ny olona avy amin’ny lovan-tsofina (Mar 7:7), izay
tandremany fa tsy ny tena tenin’Andriamanitra mivantana mazava tsara.
Mampianatra didin'olombelona ny ankamaroan'ny Fiangonana
Hoy Jesosy tamin’izy ireo: « Koa foana ny
ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana
izy » (Mar 7:7).
Lio. 16:16 dia maneho amintsika, fa “ny lalàna sy
ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny
Filazantsaran'ny Fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra
eo”.
Ny fahalalana ny fomba
hidirana ny Fanjakan'Andriamanitra no "akaiky"
Nefa hatramin'izao vanim-potoana izao dia tsy
mbola tonga eto an-tany ilay Fanjakan'Andriamanitra na dia efa notoriany hatry
ny ela aza izany.
Ny fitoriana ny Filazantsaran'ny
Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahafahana ho voaray hiditra ao,
tamin’izany andro izany (tahaka ny amin’izao andro izao) no « akaiky »;
izany hoe zavatra roa azo arahina tsara izany.