Fisainan-Diso

Ny Baiboly dia manambara fa i Satana no andriamanitr’izao fiainana an-tany izao (taon-jato) (2 Kor 4:4). 
  • Raha ohatra ka maharesy lahatra anao fa ilay Fanjakan’Andriamanitra dia efa eto an-tany, arak’izany dia mino ianao fa efa « teraka indray ». 
  • Ary raha efa « teraka indray » ianao, midika izany fa efa « voavonjy » ianao. Raha « voavonjy » ianao dia midika izany fa tsy afaka manota intsony. 
  • Ary raha tsy afaka manota intsony ianao sy tsy mandika ny lalàn’Andriamanitra (1 Jao 3:4), dia midika izany fa tsy ilainao intsony ny mandinika ny lalàn’Andriamanitra satria ny fitsarana anao dia efa tapahin’i Kristy. 
Nefa, raha tsy mandinika ny lalàn’Andriamanitra – izay mamaritra ny fomba fiaina (Rom 13: 10) – dia tsy ho Kristiana intsony ianao (Jao 15:4-10, 14). çè Izany indrindra no kendren’i Satana, fahavalonao, tadiaviny hataonao.

Manaova fandalinana ny Baiboly mba hitadiavana izay lazainy rehetra momba ny lohahevitra manokana izay resahany.
Avelao izy hanazava ny tenany. Fa amin’ny alalan’izany no afahanareo mampitombo ilay tena fahalalana ara-Baiboly.

Ao amin’ny 1 Kor 15:50-51, Paoly milaza hoe: « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra. »

Tsy misy fanahiana, fa ny olona dia hita fa natao nofo aman-drà ary tsy mahazo miditra ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra izay feno zava-miafina ho an’ny ankamaroany. Ilaina noho izany ny mamaky «ny toko iray manontolo ny amin’ny fananganana ny maty» ao amin’ny 1 Kor 15. Amin’ny fananganana ny tena Kristiana (olombelona) amin’ny maty vao hovana izy (ateraka indray) ho tonga zava-manan’aina ara-panahy (vita amin’ny fanahy).

Azonao ve ankehitriny hoe nahoana no tsy misy Fiangonana afaka hatao hoe Fanjakan’Andriamanitra? Ny Fiangonana rehetra dia mbola vatana avokoa (Fizika). Izany dia sakana tsy maha Fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana rehetra. Minoa ny fahamarinana tsotra avy amin’ny Baiboly.

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy afaka mampiditra olona nofo aman-drà!

Andininy maro ao amin’ny Jaona 3 no tsy azon’ireo izay mino hoe afaka « ateraka indray » amin’ity fiainana ity izy, sady mahita ny Fanjakan’Andriamanitra (satria izy ireo dia mbola nofo aman-drà).

Ao anatin’ity fanambarana ity, Nikodemosy, izay Fariseo, dia miteny amin’i Kristy sy miaiky ao anatin’ny andininy 2 hoe: « … Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy. » (Jao 3:2). 
Niaiky mihitsy izy ary fantany ilay tena Kristy sy ilay nandefa azy ety an-tany. Mariho fa Nikodemosy dia niresaka tamin’ny anaran’ny maro, satria izy nilaza hoe; « fantatray fa ». Izy niteny ho an’ny tenany sy ho an’ireo Fariseo maro izay nahafantatra hoe iza Jesosy. Izy ireo tsy afa-mandà ny zava-misy noho ny herin’Andriamanitra ny amin’ny fahagagana izay vitan’i Kristy.

Ireo mpitarika fivavahana maro sy ireo Fariseo nahazo tsara fa JESOSY dia « mpampianatra avy amin’Andriamanitra », izay tonga nitondra ny fahamarinana. Nefa nomen’izy ireo anarana hoe mpiteny ratsy an’Andriamanitra izy, mamolava, olona nolavina, mpandika lalàna, teraka tamin’ny fijangajangana, tsy mivaky loha, manana demonia, mpaminany sandoka, etsetra…, sady izy ilay mendrika ho fantsihana.

Maro ny olona afaka mahita fa tsotra ny fahamarinan’ny Baiboly, nefa na izany aza dia misafidy ny tsy te hahalala mba hitazomany ny fomban-drazany (Mar 7:7) sy ny heviny.
Kristy nilaza tamin’ny Nikodemosy hoe: « Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny Fanjakan’Andriamanitra. [*Na: ateraka avy any ambony] » (Jao 3:3). 
Noho izany, tsy ny olona rehetra no afaka mahita ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izay anefa, ny olona rehetra dia afaka mahita ny fiangonana na ny fanjakana misy amin’izao tontolo izao. Izy roa ireo, satria azo tsapain-tànana (fizika), dia mety hitan’ny olona rehetra na inona na inona fiangonany na finoany.

Fantaro tsara ireo teboka lehibe izay tsipihan’i Kristy mazava ireo.

Ao amin’ny andininy fahadimy Izy manao fanambarana hoe: « Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny Fanjakan’Andriamanitra izy. » (Jao 3:5). Eny, afaka « miditra » ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona, nefa hazavain’i Kristy ao amin’ny andininy fahenina izay lazainy hoe « ateraky ny rano (izany hoe ny Batisa) sy ny Fanahy »: « Izay ateraky ny nofo DIA nofo; ary izay ateraky ny Fanahy DIA fanahy. »

Ny nofo aman-drà tsy mahazo miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa izay fanahy ihany no afaka. Mba tsy hisian’ny fifangaroana, dia noharin’i Kristy amin’ny rivotra ny Fanahy. Ny rivotra, tahaka ny Fanahy, dia tsy hita maso. Tsy hitantsika izy. Noho izany izay mpikambana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia tokony ho fanahy tahaka an’Andriamanitra, araky ny fanahy.