Porofo 7 fa Tsy Mbola Tonga ny Fanjakan' Andriamanitra

Kristiana maro araka ny lovan-tsofina no mandika amin’ny fomba diso ny hevitra hita ao amin’ny Lioka 17:21 sy Kolosiana 1:13, ka milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny Fiangonana, na hoe ao « am-pon’ny olona ».  Avy eo dia mamintina mihitsy izy fa « adidin’ny Kristiana » ny mampahafantatra izany amin’ny fitiavana, ary amin’ny fandeferana, sy ny sisa sy ny sisa.

Na dia matotra tahaka ny inona aza izany finoana izany, dia tsy ara-Baiboly. Noho izany, ahoana no mahatonga ny olona hanao famintinana diso toy izany?

Antony 2 lehibe tsy mahamarina izany fomba fijery izany

Ireto misy antony lehibe anankiroa:

  1. Tsy avelan’izy ireo hanazava ny tenany ny Baiboly.

   Raha tokony hanaraka ny fandidian’ny 2 Petera 1:20 izy ireo, manao hoe: « fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany », dia ny hevitr’izy ireo araka ny fisainany no ampihariny amin’ny Baiboly. 
Fanampin’izany, tsy avelany « hampianatra sy handresy lahatra ary hanabe azy » ny Baiboly.

2. Ferany amin’ny famakiana andininy iray na roa ny fandinihany foto-kevitra iray.

Noho izany, sintominy any ivelan’ny fehezan-teny resahana ilay foto-kevitra. Tsy fantar’izy ireo koa ny andininy maro tokony hahazo mitambatra, izay tian’ny Baiboly hampianarina. 
Raha tiantsika ho azo ny foto-pinoana ara-Baiboly iray, dia tokony ho tadiavina avokoa ireo andininy mikasika ilay foto-kevitra resahana. Tena tsy ampy hahazoana ny fahafenoan’ireo hevitra voasoratra mihitsy ny fifotorana amin'ny andinin-tSoratra Masina iray na roa fotsiny ihany.

Mifameno avokoa ny andalan-tSoratra Masina ao amin'ny Baiboly

Ny Isaia 28: 9-10 dia milaza hoe: « Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely ety, ary kely ery ».
Arak’izany, Andriamanitra dia nanao ny Baiboly tahaka « ny zavatra tsy maintsy mifameno. Noho izany, tsy maintsy akambana daholo ny hevitra ara-Baibolin’ilay resaka iray resahana.

Inona ireo porofo 7 fa tsy mbola tonga eto an-tany ny Fanjakan'Andriamanitra?

1. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia « efa ao anatinareo »?

Lioka 17:20-21 dia mivaky toy izao : « Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo* ». [*Na: efa eo aminareo] 

Maro ny mamaky io andininy io ary mandray avy hatrany hoe: «Hay! Ato anatiko ny Fanjakan’Andriamanitra». Dia izany tokoa ve no lazain’io andininy io?

Iza no niresahan’i Kristy teto? Ilay tapany voalohany amin’ny andininy faha-20 dia manome antsika ny valiny: « Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny Fanjakan’ Andriamanitra:…».
Hitantsika tsara fa ireo Fariseo no niresahany — fa tsy tamin’ny mpianany! Nanontany Azy izy ireo hoe : rahoviana no ho tonga ny fanjakanao?

Ity no valin-tenin’i Kristy: « Ny Fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo ». Dia azo heverina ary ve fa ny Fanjakan’Andriamanitra izay nolazain’ny Kristy io dia tao anatin’ireo Fariseo raha izany? — ireo olona ireo izay efa nantsoiny hoe « mpihatsaravelatsihy » sy « mpitantana jamba », izay nanome fahalalahana « fa ny zava-dehibe indrindra dia izay ao amin’ny lalàna », « feno fanaovana an-keriny » sy tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra » (Mat 23: 21, 23-27).

Araka ny zava-misy, tsia! Tsy ao anatin’ny Fariseo ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny fandalinana bebe kokoa dia mampiseho fa ilay teny hoe « ao anatinareo » dia fandikan-kevitra diso. 
Ireo Baiboly Frantsay dia mandika azy hoe « eo afovoanareo » na « eo aminareo ». I Kristy dia tena nanambara mivantana tamin’ireo olona mpanevateva ireo, fa ny "Fanjakan'Andriamanitra" dia i Jesosy Kristy tenany mihitsy no ilay manatrika azy ireo tamin’io fotoana nifampiresahana io.

Izany hoe, Jesosy Kristy dia tena nanao fanambarana ny tenany mihitsy teto:
  • Tonga eto an-tany ho nofo aman-dra Izy
  • Izy ihany koa no Mesia
  • Izy dia nateraka ho Mpanjaka
  • Tsy mba nanota Izy
  • Tsy mba nandika ny sitrapon’Andriamanitra
  • Izy no ilay tena maneho tsara ny fitondrana ny Fanjakan’Andriamanitra.

2. Famaritana ny "Fanjakan’Andriamanitra"

Ny fanjakana rehetra dia arafitry ny zavatra efatra:
  • ny faritany
  • ny mpanjaka na mpitondra
  • ny vahoaka 
  • ny lalàna.
Raha ohatra ka efa ety an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny fiangonana na «ao am-pon’ny olona maro», dia tokony ho eo ambanin’ny Fanjakany ny tany rehetra, araka ny voasoratra hoe: « Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. » (Zakaria 14:9)

Raha ohatra ka efa ety an-tany ety ny Fanjakan’ Andriamanitra, ary Jesosy Kristy no Mpanjakany, dia tokony hitoetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida Izy:
 « Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. » (Isa 9:6-7); ary hanjaka avy ao Jerosalema (Zak 8:3).

Mariho fa “Jerosalema” dia midika hoe « toerana andrian’ny fiadanana». Nefa, ankehitriny izy dia isan’ny tanàn-dehibe anjakan’ny tsy filaminana, iharan’ny fampihorohoroana sy rotiky ny ady maneran-tany. Azo tsorina mazava fa tsy manjaka avy ao mihitsy i Kristy amin’izao fotoana izao.

Raha efa eto an-tany ny Fanjakan’ Andriamanitra, ireo olony (ny olombelona rehetra) dia hiaina araky ny sitrapon’i Jesosy Kristy. Na dia ireo firenena jentilisa toa an’i Egypta aza dia tokony hanaiky Azy – na hianjadian’ny vokatry ny fanjakany, araka ny voasoratra hoe:

« Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny Andro Firavoravoana Fitoerana an-Trano Rantsan-kazo. » (Zakaria 14:16)
« Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy. » (Zak 14:17)
« Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. » (Zak 14:18)
« Izany no fampijaliana an*'i Egypta sy fampijaliana* ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo. [na: fahotana] » (Zak 14:19).

Tsy mbola izany anefa ny zava-misy amin’izao andro iainantsika izao.

Raha efa eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ireo lalànany dia tokony ho fantatry ny olona tsirairay avy sy ny vehivavy ary ny ankizy eto ambonin’ny tany rehetra. Farafahakeliny, ny olona rehetra dia tokony mba ho eo amin’ny làlan’ny fankatoavana avokoa. Tsy misy olona afaka hilaza intsony hoe tsy mahafantatra ireo lalàna ireo (Isa 30:21; Jer 31:34). Izany rehetra izany nefa dia mbola tsy mitranga ankehitriny!

3. "Mahita ny Fanjakana"

Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny Fanjakan'Andriamanitra

Ao amin’ny Jao 3:3, Kristy dia nilaza tamin’ny Nikodemosy fariseo fa, « Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny Fanjakan’Andriamanitra ».
« Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka? » (Jao 3:4)
« Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny Fanjakan’Andriamanitra izy. » (Jao 3:5)

Raha te hahita ilay Fanjakan’Andriamanitra sy te hiditra ao, dia tsy maintsy miova ho fanahy. Arak’ilay voasoratr’i Paoly hoe : « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana. » (1 Kor 15:50)

Izay manana ny endrik'Andriamanitra no handova ny Fanjakan'Andriamanitra

Jesosy Kristy dia nanazava mihitsy fa ny fanahy dia tahaka ny rivotra, izay tsy hita maso, tsy hay jerena. Ny olombelona anefa dia nofo aman-drà avokoa sady hita maso daholo.
  • Ireo izay efa « nateraka indray » no hanahaka an’i Jesosy Kristy. « Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jao 3:2).
  • Ny marina dia “notorontoronin’ny Fanahy” isika, toy ny zaza ao an-kibon-dreniny, ka ny Fiangonana no renintsika. Ny fahaterahana avy amin’ny renintsika dia amin’ny “fitsanganana amin’ny maty ho Fanahy” rehefa miverina i Jesosy Kristy.
Tsy misy olona fizika manahaka an’i Kristy Jesosy amin’izay tena toetrany any an-danitra amin’izao andro iainantsika izao.

Tahaka ny inona ny endrik'i Jesosy Kristy?

Ny Apokalypsy 1:13-17 dia maneho antsipirihany ny sary milazalaza ny endrik'i Jesosy Kristy sy ny voninahiny: 13« ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona] » 
  • 14« Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; » 
  • 15« ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » 
  • 16« Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. » 
  • 17« Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany. »
Mahafantatra olona manahaka an’io voasoratra etsy ambony io ve ianao amin’izao andro ankehitriny izao?

Tokony ho heverintsika koa ny fitsanganana voalohany (rehefa hateraka indray ireo mpanompon’i Kristy) izay tsy misy raha tsy efa tonga aloha Izy (1Kor 15:50-54; 1Tes 4:16–17). Raha nitranga izany dia nahalala avokoa ny tany iray manontolo. Tsy hisy olona iray tsy hahalala izany tranga lehibe izany (Mat 24: 23-27).

4. Efa misy ve ny Fiandrianana Maneran-Tany amin’izao androntsika Izao?

Isaia 9:5–6 dia milaza ny amin’i Kristy hoe: « Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana. [*Na: mpanolo-tsaina mahagaga] » (Isa 9:5)
« Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,... » (Isa 9:6)

Jereo ny fahitalavitra, vakio ny gazety sy ny magazina nasionaly. Milamina ve ny tany? Mino ve ianareo fa hankasitrahan’i Kristy ny vono-olona, ny fanolanana, ny fanararaotana ny ankizy, ny fikomian’ny vahoaka, ny fampihorohoroana sy ny ady maro rehefa manjaka Izy?

Tsy hisy intsony izany! Ny marina dia izao – Ilay Mpanjakan’ny fiadanana - dia tsy mbola manjaka eto an-tany amin’izao andro ankehitriny izao.

5. Ahoana àry ny filazan’ny Kolosiana 1:13?

Mba hanaporofoana fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa eto an-tany dia maro no mitanisa io andininy io, izay manao hoe: Izy (ny Ray) dia « nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, » (Kol 1:13)

Andeha hohalalinintsika tsara io andinin-tSoratra Masina io ary havelantsika ny Baiboly hanazava ny tenany ihany. Inona ny hoe « herin’ny maizina » izay hanafahan’Andriamanitra ny olony?

Ny maizina dia fahefan'i Satana; ny mazava kosa dia hery sy fahefan'Andriamanitra:

Asa 26:15-18 dia milaza hoe: 15« Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. » 16« Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy* sy izay hisehoako aminao, [*Na: (izay efa hitanao)] » 17« Hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18« hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. »

Tsy avy amin'ny maizina ny Fanjakan'Andriamanitra

Satana sy ireo devoliny dia manjaka amin’ny firenena rehetra amin’ny izao androntsika izao. Izany no nanoratan’ny Paoly hoe: ny Kristiana dia tsy mba « … mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] » (Efe 6:12)
Izany koa no nilazan’i Kristy hoe: « Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jao 18:36)

Manafaka ny olony amin'ny herin'ny maizina i Jesosy Kristy

  • Manafaka ny olony amin’ny « herin’ny maizina » Andriamanitra
  • Antsoiny izy ireo hivoaka hiala amin’izao tontolo izao (Apo 18:4) ivelan’izany rafitra avy amin’ny Satana izany (Efe 2:2-3)
  • Antsoiny izy ireo handeha araka ny fomba fiainan'ny zanak'Andriamanitra sy ny governemantany. 
  • Ary Izy no « nitondra antsika ao amin’ny fanjakan’ilay Zanany malalany (Governemantany) ». 
Andriamanitra dia manafaka antsika amin’ny fanapahana sy ny lalàn’i Satana, mba ho amin’ny fanapahan’ny Zanany malala, dia Jesosy Kristy rehefa miova fo sy mibebaka isika.

Olon’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Kristiana

Ny Kristiana dia olon'ny Fanjakan'Andriamanitra na dia tsy mbola ety an-tany aza io Fanjakana io
Ohatra, raha Kanadiana mandeha any ivelany ianao, na dia tsy any Canada aza, dia mitoetra ho kanadiana foana. Ny maha-ponin’ny firenena anao dia ao Kanada. Mitovy amin’izany koa, ny maha mponin’ny firenena ny Kristiana (Filip 3: 20), dia any an-danitra, na dia tsy mivelona any aza izy.

Tsy maintsy tanteraka ny planin'Andriamanitra rehetra

Ndeha ho raisintsika ankehitriny ny Rom 4:17 izay miteny momba an’i Abrahama: « Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy… ». 
Rehefa nilaza Andriamanitra tamin’i Abrahama hoe: «…, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao » (Gen 17:5), Isaka dia tsy ho teraka alohan’ny taona manaraka (ampitahao ny 17:1-5 amin’ny 21:5). 
Ireo taranany dia tsy lasa firenena tsotra talohan’ny fandehanana tany Egypta, taonjato maro taty aoriana. Andriamanitra nahalala fa ho tonga firenena miadana mandritra ny taonjato maro izy ireo. 
  • Ary satria tsy misy mahasakana an’Andriamanitra hanatanteraka ny Planiny, dia tahaka ny efa tanteraka avokoa izay nalahany. 
  • Na dia tsy mbola teraka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra aza ny olony, Andriamanitra mahalala fa tsy maintsy ho tonga izany. Tsy misy mahasakana izany. Ao an-tsainy dia zavatra tsy maintsy tanteraka izany.

    6. Ho Tonga Anie ny Fanjakanao

    Raha ohatra efa eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka amin’ny endriky ny fiangonana, na « ao ampon’ny olona », nahoana aryJesosy Kristy no nandidy ireo mpianany mba hivavaka ny amin’ny hahatongavan'ny Fanjakany ety an-tany? (Mat 6:9-10; Lioka 11:2). 
    Raha toa kosa ka efa miorina ety an-tany ilay Fanjakan' Andriamanitra, na koa hoe raha ny fiangonana no ilay Fanjakan'Andriamanitra, dia tsy tokony hampianatra ny mpianany hivavaka toy izao ve i Jesosy: « Ampitomboy sy aparitaho ny Fanjakanao » ?

    7. Tadiavina ilay "Fanjakana"

    • Raha tety ambany masoandro tety ilay Fanjakan’Andriamanitra, dia nahoana i Jesosy Kristy no milaza indray amin’ireo mpanara-dia Azy hoe « Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra » (Mat 6: 33) ?
    • Raha ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana no efa ao anatin’ilay Fanjakan'Andriamanitra, nahoana no mbola tadiavina indray ilay fanjakana? 
    • Averiko indray, tokony holazain’i Jesosy Kristy tsotra tamin’izy ireo fotsiny hoe : « Aparitaho aloha ilay Fanjakan’Andriamanitra » !