Ny Hafatr'i Jesosy: Filazana Mialoha

1. Fitoriana ny filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra

Isika izao tena miatrika ny fotoan’ny andro farany. Tsarovy fa raha notorina nandritry ny taonjato maro lasa ny Fanjakan’Andriamanitra, hatramin’ny vanim-potoan’i Kristy ka mandraka androany, ny fanambarana azy ankehitriny dia tsy ho midika hoe famantarana ny faran’izao tontolo izao intsony. 

  • Ny mpisandoka sy ny mpitondra fiangonana mpamitaka dia nampihemotra na nanakana ny fitoriana ny Filazantsara tena izy, ary tsy notoriana indray izany raha tsy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha roapolo. (Jereo koa ny lohahevitra hoe "Iza Ireo Antikristy?")
  • Teo amin’ny fiandohan’ny taona 1934 no nanokafan’ Andriamanitra indray ity faminaniana ity ho an'ny firenena rehetra. Ary ankehitriny dia mbola eo an-dàlam-pahatanterahana hatrany izany fitoriana ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra izany.
  • Amin’izao andro iainantsika izao dia torina ao amin’izay tena fiangonan’Andriamanitra marina hatrany hatrany izany Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany.

2. Ny Fiainana Aorian’ny Fahafatesana

Ny ankamaroan’ny mpitory teny dia miresaka momba ny Filazantsaran’ny famonjena, izany hoe finoana fa mbola misy fiainana aorian’ny fahafatesana. Ny sasany nandroso hevitra fa ny Filazantsara dia tsy miresaka afa-tsy ny «fandraisana ny fiainana mandrakizay», na koa miaraka amin’ny hevitry ny be sy ny maro hoe « mankany an-danitra » aorian’ny fahafatesana. 

Ny ankamaroan’ny olona koa mihevitra fa mitady ny fomba rehetra hamonjena izao tontolo Andriamanitra ankehitriny, ary amin’izao no hany fotoana sisa azo amonjena ny zanak’olombelona. 
  • Tsy fantatr’izy ireo akory ny anton’ny nahaterahany eto an-tany - izany hoe, ny antom-pisiany eto an-tany. 
  • Tsy fantany koa hoe: maninona no tsy mety mahita filaminana, fiadanana, fahasalamana sy fahampiana amin’ny lafiny rehetra ny zanak’olombelona? 
Ny olona rehetra dia voafitaka amin’izay antsoina hoe famonjena sy ny fanontaniana lehibe momba ny fiainana. 

    Ny marina dia izao: ny famonjena dia endrika iray amin’ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, mifandray mivantana aminy, saingy tsy mahafeno izay Vaovao Mahafaly notorin’i Jesosy Kristy izany. Ny lohahevitra miompana amin'ny "Inona ny Fanjakan'Andriamanitra?" no manome valiny amin’ny ankabeazan’ireo fanontaniana ireo.


    3. Hafatra Mikasika Ny "Fitondram-Panjakana"

    Ny Filazantsara notorian'i Jesosy Kristy ary nasainy notorian'ny mpianany dia tsy misy afa-tsy ny Filazantsaran'ny Fanjakan' Andriamanitra. Manana ny mampiavaka azy izany Filazantsara izany.
    Rehefa niresaka ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy, inona marina no tiany ho lazaina? 

    Ny lafiny iray mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny FITONDRANA na FANAPAHANA. Araka ny efa nambara tetsy aloha, midika hoe "fitondrana" ny Fanjakan’Andriamanitra.
    Rehefa tafaorina eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hanjaka amin’izao tontolo izao Izy, izany hoe: MITONDRA  FANJAKANA NA MANAPAKA IZAO TONTOLO IZAO. Manome fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba izany ny Baiboly.

    Ny tohin’ity famelabelarana ity dia manazava ny lafiny «fitondrana» amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
    Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy dia nisy anjely niseho tamin’i Maria reniny. Ireto andininy manaraka ireto no mampiseho izany fihaonana izany sy izay nolazain’ilay anjely:
    « Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. 

    Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. » (Lio. 1:26-33)

    Ao amin’ny Jao. 13:36, Jesosy nilaza tamin’ny Pilato hoe: « Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao. 18:37)

    Jesosy Kristy Dia Nateraka Ho Mpanjaka!

    Izao ny faminaniana ao amin’ny Isaia mikasika an’i Kristy: « Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany. Ny Tompo mandefa teny ho an'i Jakoba, ka mihatra amin'ny Isiraely izany. » (Isaia 9:6-7)
    Rehefa haorin’i Kristy eto an-tany ny fitondran’ Andriamanitra (governemantan’ Andriamanitra), dia hitokana ny filaminana ho an’ny firenena rehetra Izy.