Ny fampitahana ny Daniela 7 amin’ny
Apokalypsy 13 sy 17 dia milaza marina fa misy fahaterahana im-pito amin’ny
Fanjakana Romana.
Apokalypsy
17: 9 – 14: “9 Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia
tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.”“10 Ary mpanjaka fito
ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy
tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.”
“11 Ary
ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo
ary ka lasa ho amin'ny fandringanana.” “12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao,
dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa
mpanjaka iray ora miaraka amin'ny bibi-dia izy.”
“13 Ireo
dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibi-dia.” “14
Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria
Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay
momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
Aseho amin’ny endrika bibi-dia ireo Fanjakana ireo ao amin’ny Apokalypsy 13 sy Daniela 7.
Apokalypsy
13: 1-7:
“1 [Ny
amin'ny biby roa izay mpanompon'ny dragona] Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia
niakatra
avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny
tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana
fitenenan-dratsy*. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. IX, 3] 2 Ary ny bibi-dia
izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera,
ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny
heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe. 3 Ary hitako ny lohany
anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay
feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay
bibi-dia.
4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy? 5 Dia nomena lela* miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy** izy, ary nomena fahefana mba hiasa*** roa amby efa-polo volana. [* Gr. vava] [** Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] [* Na: haharitra] 6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy* an'Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy* ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. IX. 3] 7 Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokompirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry. 8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.”
Daniela 7: 2
– 12:
“2 Dia
niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho,
fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny
ranomasina lehibe. 3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy
tamin'ny ranomasina. 4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny
voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy
tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady
natao manana fon'olombelona izy.
5 Ary
indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny
ila-tenany, sady nisy taolantehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny
nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be. 6 Ary
nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay
nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha
efatra, ary nomena fanapahana izy.7 Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny
fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina
sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy
nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa
noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo. 8
Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo
aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha;
ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra
mihoa-pampana izy.
9 Mbola
nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no
nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany
toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany
dia afo mirehitra. 10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany;
arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany;
nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky. 11 Dia mbola nijery ihany aho
noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery
aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny
afo mirehitra izy. 12 Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny
fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny
andro sy ny fotoana.”
Inona avy ireo fanjakana
voalaza ireo?
Ny enina amin’ireo Fanjakana voalaza ireo
dia efa tanteraka, ka ireto avy izy ireo:
1. Emperora
Justinien, taona 554,
2. Emperora
Charlemagne, taona 800,
3. Emperora
Otton 1er le Grand, taona 962,
4. Charles
Quint, (Habsbourg), taona 1530,
5. Napoléon
Bonaparte, taona 1804,
6. Mussolini,
(sy Hitler), taona 1935.
Ary ny iray sisa ambiny dia eo
andalam-pahatanterahana, ka haharitra telo taona sy tapany eo izany, mandritry
ny vanim-potoana antsoin’ny Baiboly hoe Fahoriana Lehibe (Matio 24, 21-22), sy
ilay antsoiny hoe «andro fahoriana ho an’i Jakoba» (Jeremia 30: 1-7). Aorian’io
fitsanganan’ny fanjakana Romana farany io no hahatongavan’ny
Fanjakan’Andriamanitra.
Zava- dehibe ny mahazo ny
fifandraisan’ireo fahaterahana fito ireo (na fitsanganana) amin’ny fitondrana
Romana.
Ny Apokalypsy 17 dia manoritsoritra
tsirairay izany fahaterahana fito izany, arahana « …vehivavy
nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha
fito sy tandroka folo. » (Apokalypsy 17:3). Ireo loha fito ireo dia ilay
fahaterahana fito misaraka ary ny tandroka folo dia mampiseho ny fahaterahana
farany izay arafitry ny mpanjaka folo.
Mikasika ilay vehivavy, ny andininy faha 5
sy 6 milaza hoe: « ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny
handriny nanao hoe:
ZAVA-MIAFINA,
BABYLONA LEHIBE,
RENIN'NY MPIJANGAJANGA
SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN'NY TANY. »
(Apokalypsy 17:5)
« Ary hitako fa, indro, ravehivavy
dia leon'ny ran’ny olona masina sy ny ran'ny martioran'i Jesosy; koa raha
nahita azy aho, dia gaga indrindra. » (Apokalypsy 17:6). Ny andininy 1
miantso azy amin’ny anarana hoe « ilay vehivavy janga (dia Babylona),
izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro » (Apokalypsy 17:1). Ny
andininy 15 manazava fa “ny rano maro” dia “ny mponina”, “ny vahoaka”, “ny
firenena”, “ny samy hafa fiteny”.
Ity dia famariparitana amin’ny antsipiriany
ny fahalebiazana sy ny herin’ny fiangonana iray “manompo sampy” izay
nidina avy eo amin’ny rafi-pitondran’i Babylona. Ny andininy 2 dia miresaka ny
«fahavetavetany» miaraka amin’ireo « mpanjaka amin’ny tany ». Ary ny andininy
faha-18 miresaka ilay vehivavy tahaka ny « renivohitra lehibe izay manana ny
fiandrianana amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra».