Inona no Hataon'ireo Olo-Masina Natsangana Tamin'ny Maty?

Ireo mpianatr’i Kristy « nino fa hiseho haingana tamin’ny androny ny Fanjakan’Andriamanitra » (Lio 19:11). 

Koa mba hanitsiana ny tsy fahafantaran’izy ireo, Jesosy nanome azy ny fanoharana momba ilay andrian-dahy nankany an-tany lavitra handray fahefana hanjaka dia hiverina. Ao anatin’io fanoharana io, Jesosy mitantara ny fomba handraisan’ny mpianany sasany valisoa arakaraky ny fahaizany nampiasa ny talentany.


· Hanapaka tanàna miaraka amin’i Jesosy Kristy


Rehefa tonga ny iray tamin’izy ireo nilaza hoe: « Tompoko, ny talentanao iray nahazoako tombony talenta folo » Jesosy namaly hoe: 

« Tsara izany, ry mpanompo tsara, satria nahatoky tamin’ny kely ianao, dia manapaha tanàna folo ». Tonga koa ny mpanompo faharoa nilaza hoe nahazoany tombony talenta dimy ny talentany iray, dia hoy Jesosy taminy hoe: « ianao koa, manapaha tanàna dimy » (Lio 19:16-19). 


Mazava hoazy, ny teolojianina moderna sasany miezaka « manazava ara-panahy » ireo fanoharana ireo. Nefa, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy, ny Soratra Masina mampivohitra mazava fa hametraka Governemanta ara-bakiteny eto an-tany Andriamanitra, eo ambany fitantanan’i Jesosy Kristy!


Ny mpanjaka Davida, izay hatsangana amin’ny maty miaraka amin’ireo olona masin’Andriamanitra hafa, dia hanapaka ny firenena roa ambin’ny folon’Isiraely, eo ambany fahefan’i Kristy mivantana! Rehefa mitantara ny fomba hamerenana an’Isiraely avy tany amin’ny fahababoany aorian’ny fiverenan’i Kristy ny mpaminany Jeremia dia nanoratra hoe : 

« Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao* intsony; [Heb. azy] » (Jer 30:8) « Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao* sy Davida Mpanjakanao*, Izay hatsangako ho anao.[Heb. Mpanjakany] » (Jer 30:9).


Tadidio fa ny Mpamorona dia nanolo-tsaina ny mpaminany Hosea koa hitantara io fahamarinana fototra momba ny firafitry ny Governemantan’i Kristy izay ho avy io: 


« Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy. » (Hosea 1:3) « Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely. » (Hos. 1:4) « Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely. » (Hos. 1:5).


· Hitsara Anjely sy izao tontolo izao:

Raha nanoratra ho an’ny Kristiana tany Korinto ny Apostoly Paoly, dia nilaza ny valisoan’ny Kristiana marina: « Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? » (1 Kor 6:2) « Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. » (1 Kor 6:3). 

Hitantsika amin’izany fa ny olo-masina dia hitsara « izao tontolo izao » - ary tsy hidonana-poana any an-danitra tsy manao na inona na inona!


Ho Lasa Mpampianatra Ireo Olona Masina

Amin’izany fotoana izany, ny « olo-masina » natsangana tamin’ny maty hampianatra ny mponina rehetra eto an-tany ny amin’ny fombam-piainan’Andriamanitra, mifototra amin’ny Didy Folo. Izany dia hiteraka tontolo feno fiadanana sy fifaliana mandrakizay

Koa satria Kristy no « santatra amin’ny voaloham-bokatra », ho azontsika atao ny maka Azy ho ohatra mba hahafantarana ny fomba hisehoan’ireo olona masina atsangana amin’ny maty sy hiasany mandritry ny Fanjakana arivo taona (Milenioma). Amin’izao fotona izao, Jesosy Kristy dia velona amin’ny voninahitra tsy hay lazaina. Nandritra ny fahitana, ny Apostoly Jaona dia nahita an’i Kristy tamin’ny voninahiny:
« Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; » (Apo 1:14) « ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » (Apo 1:15).

Zanak’Andriamanitra sy Rahalahin’i Kristy Jesosy

Ny Apostoly Jaona nanoratra hoe koa:
« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jao 3:2).

Marina izany, fa « ho tahaka an’i Jesosy Kristy » tanteraka isika! Ho feno « voninahitra » isika amin’ny fitsanganana amin’ny maty satria zanak’Andriamanitra amin’ny fahafenoany, rahalahin’i Jesosy Kristy amin’ny fahafenoany!  Satria ny Baiboly manambara fa Kristy dia tsy maintsy ho « Lahimatoa amin’ny rahalahy maro » (Rom 8:29).

Manao ahoana no nampianaran’i Kristy ny olona rehefa nitsangana tamin’ny maty (nandray voninahitra) Izy? Taorian’ny nitsanganany, niseho im-betsaka tamin’ny Apostoly sy olona hafa Jesosy.  Nefa izy ireo tsy nahalala Azy avy hatrany – Niova ny toetrany miohatra tamin’ny naha nofo aman-drà Azy. 
Na izany aza, Kristy tafatsangana tamin’ny maty niseho saika toy ny olombelona hatrany, niresaka toy ny olona rehetra ihany koa, koa dia azon’izay nifampiresaka taminy izay nolazainy, tsy nisy natahotra Azy.
Tsarovy ilay tantaran’i Maria-Magdalena, izay tsy nahafantatra Azy tamin’ny volohany, tsy nahatsapa fa nahita an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty izy. Fotoana vitsy taorian’izay, rehefa niresaka tamin’ny feo natoraly sy nampahafantatra ny tenany Jesosy, dia vao nanatona Azy i Maria, nefa Jesosy nilaza taminy hoe: « Aza manendry Ahy » (Jao 20 :14-17).
Taorian’izany, Jesosy niseho tamin’ny mpianany tao amin’ny toerana izay nivorian’izy ireo, ary nilaza hoe: « Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jao 20:26) 

« Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. » (Jao 20:27)
Mazava tsara fa ireo rehetra izay « handresy » sy ho isan’ny olo-masina tafatsangana amin’ny maty, dia ho afaka mampianatra ny mponina maneran-tany, amin’ny fisehoan’ny tenany manokana, toy izay nataon’i Jesosy Kristy tamin’ireo Apostoliny.

Azo antoka fa ireo Kristiana atsangana amin’ny maty, hiasa eo ambany fahefan’i Kristy mandritry ny Milenioma (Fanjakana arivo taona), dia hiseho indraindray amin’ny voninahitra lehibe, fa amin’ny fotoana hafa kosa dia ho henon’ny olona, nefa tsy hita maso toy izay voatantara ao amin’ny Isaia 30. 
Kanefa, matetika, izy ireo hiseho amin’ny bikan’olombelona, toa an’i Jesosy Kristy niseho teo afovoan’ireo Apostoly, na koa taorian’izay, niarahany nisakafo tamin’izy ireo teo amoron’ny ranomasina Galilia (Jao 21 :12-15).
Tsy isalasalana fa hisy fotoana hifanenan’ny olombelona amin’ny olo-masina nitsangana tamin’ny maty, ary hilaza amin’ny namany amim-pahatalanjonana hoe izy : « Iray tamin’izy ireo izay » !
Mety ho ianao ve ny « iray amin’izy ireo »? Anjaranao ny mamaly izany sy maniry izany, rehefa nanomboka nahazo ny Planina marin’Andriamanitra. Raha antsoin’Andriamanitra ianao ho isan’ireo voaloham-bokatra, dia homeny anjara mahagaga tsy ampoizinao. Satria izao no nolazain’i Jesosy Kristy :

« Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny 
farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » (Apo 2:26) « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. » (Apo 2:27) « Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. » (Apo 2:28)

Ny Kristiana ankehitriny dia tsy maintsy « mandroso » marina, mba hampiseho amin’Andriamanitra fa mitady ny Fanjakan’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra izy ireo. Izany no tsy maintsy tarigetra voalohan’ny Kristiana iray ! Tadidio ny didin’i Jesosy manao hoe : « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat 6:33).

Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tena misy tokoa. Ho avy tsy ho ela izany. Tsy maintsy fantarintsika lalina ny momba azy, ary miomana isika handray anjara ao, satria hanana anjara hampianatra an’ity izao tontolo izao mijaly ity, rovitry ny ady: hampianatra ny làlan’ny fiadanana sy fifaliana lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.

Tsy maintsy mankatò tanteraka an’i Kristy isika, mba hamelantsika Azy hiaina ny fiainany misy fankatoavana ato anatintsika, sy hamela Azy hametraka amintsika, araka ny maha-Isiraely ara-panahy, ny « fanekena vaovao » voatantaran’ny teniny hoe :
« Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jer 31:33).
  • Hampahafantarin’Andriamanitra anao anie ny Planiny sy ny fikasany mahagaga izay tanterahiny ankehitriny.
  • Homeny fahazotoana daholo anie isika hanomana ny fotoam-panjakan’i Jesosy Kristy eto an-tany, hananantsika anjara manampy Azy, manompo Azy, sy mampianatra ny didin’Andriamanitsika. 
Ny tarigetran’ny Kristiana marina tsirairay dia ny ho tonga zanak’Andriamanitra teraka avy amin’ny Fanahy indray andro any, ary ho mpikambana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra – na governemantan’Andriamanitra – izay hapetrak’i Jesosy Kristy tsy ho ela eto an-tany ! 

  • Ho « mpanjaka sy mpisorona » ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra 
  • Eto dia ho hitantsika fa ny olo-masina natsangana tamin’ny maty dia ho « mpanjaka sy mpisorona » ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hapetraka eto an-tany. (Apokalypsy 5:10). Azontsika vakina koa fa eo am-piandohan’ny Fanjakana arivo taona (Milenioma), Satana dia « ho fatorana » mandritry ny “arivo tona” […] « mba tsy hamitahany ny firenena intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona » (Apokalypsy 20:2-3).

    Manaraka izany, hitantsika fa ireo izay nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany dia ho 
    « mpisoron’Andriamanitra sy Kristy, ary hanjaka miaraka aminy mandritry ny arivo taona »
    (Apokalypsy 20: 6).

  • Ho « mpampianatra ny olona »

    Ny Soratra Masina mampahatsiaro antsika mandrakariva fa ireo mpisorona, teo amin’Isiraely fahiny, dia mpampianatra ny olona. Izy ireo no nampianatra ny lalàn’Andriamanitra sy ny fomba fiainan’ny vahoakan’Isiraely. Miharihary izany fa ny Kristiana, izay ho tonga mpisorona ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho avy, no hampianatra ny mponin’ny tany araka ny fombam-piainan’Andriamanitra. 

    Rehefa « voafatotra » i Satana, dia hiala ny fahajambana izay nandrakotra ny tany. Ny olona dia hahazo ny fahamarinana ary ho tonga mora ampianarina. Azo tsoahana amin’izany fa hihamora kokoa ny asantsika noho ny amin’izao fotoana izao izay mbola ipetrahan’i Satana amin’ny maha-"mpanjakan’izao tontolo izao" azy. (2 Korintiana 4 :4).

    Im-betsaka, ao amin’ny Baiboly, Andriamanitra no miteny amintsika hoe : « amin’ny andro farany », izany hoe amin’ny fiverenan’i Kristy, Jesosy sy ireo olona masina no hampianatra ny lalàn’Andriamanitra Tsitoha eto amin’ny tany rehetra.

    Ohatra :
     « …Mba hampianarany antsika ny amin'ny làlany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Mika 4:2).

    • Tsy hianatra ady intsony

     Dia toy izany koa :
    « Ary hitsara ny adin'ny firenena maro Izy ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin'ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony. » (Mika 4:3).

    Marina izany, “tsy hianatra” miady intsony ny tanora lahy sy vavy. Ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny, eo ambany fahefan’i Satana, dia mandany ny ankabeazan’ny hareny amin’ny ady sy ny fitaovam-piadiana.
         Raha ampiasaina amin’ny tanjon’ny fandriam-pahalemana ny haren’ny firenena iray, tsy sarotra ny mieritreritra ny fahatsaran’ny tanàna sy ny valan-java-boahary ary ny tontolo iainana hananan’izao tontolo izao, amin’ny ho avy! Ho hita koa ny tsy fitovian’ny tontolo ho avy amin’ny ankehitriny, izay ahitana olona tsy manana na trano, na izay ilainy. 
         Ny Soratra Masina manambara amintsika, fa amin’ny fotoana hitantanan’i Jesosy Kristy izao tontolo izao, ny tsirairay dia samy ho tompon’ny fananany, araka ny voasoratra hoe:

    « Samy hipetraka eny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan'i Jehovah, Tompon'ny maro, no efa niteny. » (Mika 4:4).

  • Ny olona dia hampianarina ny lalan'Andriamanitra

    Izao no voasoratr’Isaia mpaminany :
    « Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra* misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra, ary hasandratra ho avo noho ny havoana**; [Ny *Fanjakan’Andriamanitra dia ho ambony noho ny fanjakana** rehetra]. Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. » (Isaia 2:2)
    « Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah. » (Isaia 2:3).

    Inona ireo lalàna nolazain’Isaia ireo? 

    Ny lalàn’Andriamanitra ara-panahy ireo, dia ny Didy Folo ! Marina izany satria mandritra ny Fanjakan’i Kristy eto an-tany, ny rehetra dia hianatra ny fombam-piainan’Andriamanitra manontolo, izay miankina amin’ny Didy Folo !

    Teolojianina maro no mampiasa hevi-petsy hilazany fa efa « nofoanana » ny didin’Andriamanitra. Nefa io Didy ara-panahy lehibe io dia ho fototra iorenan’ny fiaraha-monina rehetra tsy ho ela intsony. Misy ny boky fianarana momba ny Didy Folo izay ho dinihina amin’ny manaraka raha ilaina izany.

    Hanao ahoana ny fiainana any amin’ny tontolo izay hahafantaran'ny tsirairay sy hampiharany ny lalàn’Andriamanitra? 
    Ny Fanjakan’i Kristy dia ho taom-piadanana hahitana fa na ny bibidia aza dia ho malemy fanahy, araka ny voalaza hoe:
    « Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa] » (Isaia 11:6)
    « Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; » (Isaia 11:7)
    « Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] » (Isaia 11:8).
    Noho izany :
    « Tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. » (Isaia 11:9).

    Ny Soratra Masina manambara fa ny olombelona tsy hilaozan’Andriamanitra rehefa voavotra tamin’ny fahababoana mahatsiravina sy fahoriana izay hozakainy mandritra ny Fahoriana Lehibe ateraky ny fifandringanan’ny olona sy ny Andron’ny Tompo famaliana:
    « … Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao; » (Isaia 30:20) « Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano. » (Isaia 30:21).

    Fotoana tapahin’ny lalàn’Andriamanitra feno fiadanana sy fahasambarana ny Fanjakan’i Jesosy Kristy izay ho avy:
    « Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy. » (Isa 35:9) « Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. » (Isaia 35:10).

    Araka Izany, Ho Lasa "MpampianatraIreo Olo-Masina

    Amin’izany fotoana izany, ny « olo-masina » natsangana tamin’ny maty hampianatra ny mponina rehetra eto an-tany ny amin’ny fombam-piainan’Andriamanitra, mifototra amin’ny Didy Folo. Izany dia hiteraka tontolo feno fiadanana sy fifaliana mandrakizay. Koa satria Kristy no « santatra amin’ny voaloham-bokatra », ho azontsika atao ny maka Azy ho ohatra mba hahafantarana ny fomba hisehoan’ireo olona masina atsangana amin’ny maty sy hiasany mandritry ny Fanjakana arivo taona (Milenioma). 

  • « Ho tahaka ny endrik’i Jesosy Kristy » 

    Amin’izao fotona izao, Jesosy Kristy dia velona amin’ny voninahitra tsy hay lazaina. Nandritra ny fahitana, ny Apostoly Jaona dia nahita an’i Kristy tamin’ny voninahiny :
    « Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny 
    volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; » (Apokalypsy 1:14) « ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » (Apokalypsy 1:15).
    Ny Apostoly Jaona nanoratra hoe koa :
    « Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jao. 3:2).
    Marina izany, fa « ho tahaka an’i Jesosy Kristy » tanteraka isika! Ho feno « voninahitra » isika amin’ny fitsanganana amin’ny maty satria zanak’Andriamanitra amin’ny fahafenoany, rahalahin’i Jesosy Kristy amin’ny fahafenoany ! Satria ny Baiboly manambara fa Kristy no « Lahimatoa amin’ny rahalahy maro » (Rom. 8:29).

    Manao ahoana no nampianaran’i Kristy ny olona rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy? (nandray voninahitra). Taorian’ny nitsanganany, niseho im-betsaka tamin’ny Apostoly sy olona hafa Jesosy. Nefa izy ireo tsy nahalala Azy avy hatrany – Niova ny toetrany miohatra tamin’ny naha-nofo aman-drà Azy. Na izany aza, Kristy tafatsangana tamin’ny maty niseho saika toy ny olombelona hatrany, niresaka toy ireny, koa dia azon’izay rehetra nifampiresaka taminy izay nolazainy, tsy nisy natahotra Azy.

    Tsarovy ilay tantaran’i Maria-Magdalena, izay tsy nahafantatra Azy tamin’ny voalohany, tsy nahatsapa fa nahita an’i Kristy nitsangana tamin’ny maty izy. Fotoana vitsy taorian’izay, rehefa niresaka tamin’ny feo natoraly sy nampahafantatra ny tenany Jesosy, dia vao nanatona Azy i Maria, nefa Jesosy nilaza taminy hoe: « Aza manendry Ahy » (Jao. 20 :14-17).

    Taorian’izany, Jesosy niseho tamin’ny mpianany tao amin’ny toerana izay nivorian’izy ireo, ary nilaza hoe:
    « Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo. » (Jao. 20: 26)
    « Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa. » (Jao. 20: 27)

    Mazava tsara fa ireo rehetra izay « handresy » sy ho isan’ny olo-masina tafatsangana amin’ny maty, dia ho afaka mampianatra ny mponina maneran-tany, amin’ny fisehoan’ny tenany manokana, toy izay nataon’i Jesosy Kristy tamin’ireo Apostoliny.

    Azo antoka fa ireo Kristiana atsangana amin’ny maty, hiasa eo ambany fahefan’i Kristy mandritry ny Milenioma (Fanjakana arivo taona), dia hiseho indraindray amin’ny voninahitra lehibe, fa amin’ny fotoana hafa kosa dia hohenon’ny olona, nefa tsy hita maso toy izay voatantara ao amin’ny Isaia 30. Kanefa, matetika, izy ireo hiseho amin’ny bikan’olombelona, toa an’i Jesosy Kristy niseho teo afovoan’ireo Apostoly, na koa toy izay niarahany nisakafo tamin’izy ireo teo amoron’ny ranomasina Galilia (Jao. 21 :12-15).

    Tsy isalasalana fa hisy fotoana hifanenan’ny olombelona amin’ny olo-masina nitsangana tamin’ny maty, ary hilaza amin’ny namany amim-pahatalanjonana hoe izy: "Iray tamin’izy ireo izay!"


  • Hanana fahefana amin'ny Jentilisa

    Mety ho ianao ve ny "iray amin’izy ireo"? Anjaranao ny mamaly izany sy maniry izany, rehefa manomboka mahazo tsara ny Planina marin’Andriamanitra ianao. Raha antsoin’Andriamanitra ianao ho isan’ireo voaloham-bokatra, dia homeny anjara mahagaga tsy nampoizinao. Satria izao no nolazain’i Jesosy Kristy :
    « Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa; » (Apokalypsy 2:26)
    « ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko. » (Apokalypsy 2:27) «Ary homeko azy ny kintana fitarika andro. » (Apokalypsy 2:28) 

"Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra"


    Ny Kristiana ankehitriny tsy maintsy « mandroso » marina, mba hampiseho amin’Andriamanitra fa mitady ny Fanjakan’Andriamanitra mialoha ny zavatra rehetra izy ireo. Izany no tsy maintsy tarigetra voalohan’ny Kristiana iray ! Tadidio ny didin’i Jesosy manao hoe : 
    « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33).

    Ny Fanjakan’Andriamanitra dia tena misy tokoa. Ho avy tsy ho ela izany. Tsy maintsy fantarintsika lalina ny momba azy, ary miomana isika handray anjara ao, satria hanana anjara hampianatra an’ity izao tontolo izao mijaly ity, rovitry ny ady: hampianatra ny làlan’ny fiadanana sy fifaliana lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.


    Tsy maintsy mankatò tanteraka an’i Kristy isika, mba hamelantsika Azy hiaina ny fiainany misy fankatoavana ato anatintsika, sy hamela Azy hametraka amintsika, araka ny maha-Isiraely ara-panahy, ny « fanekena vaovao » voatantaran’ny teniny hoe :

    « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. » (Jer. 31: 33).

Miomàna ho amin'ny fanjakan'Andriamanitra!